Ny Jenezy

Toko voalohany

1 Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.

2 Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny aizina nanarona ny hantsana ary ny fanahin'Andriamanitra nisonenika tambonin'ny rano. 3 Hoy Andriamanitra: Misia ny mazava. Dia nisy ny mazava. 4 Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava. Nosarahin'Andriamanitra ny mazava sy ny aizina. 5 Ka ny mazava nataony hoe andro. Ary maizina kosa alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina. Izay no andro voalohany. 6 Hoy Andriamanitra: Misia habakabaka eo anelanelan'ny rano, ary aoka izy hampisaraka ny rano amin'ny rano.

7 Dia nataon'Andriamanitra ny habakabaka, ka ny rano ambonin'ny habakabaka dia nosarahiny tamin'ny rano ambanin'ny habakabaka, dia tanteraka izany. 8 Nataon'Andriamanitra hoe lanitra, ny habakabaka. Ary nisy hariva sy nisy maraina. Izay no andro faharoa. 9 Hoy Andriamanitra: Aoka hiangona amin'ny fitoerana iray ny rano eo ambanin'ny lanitra, ka aoka hiseho ny maina. Dia tanteraka izany.

10 Nataon'Andriamanitra hoe tany, ny maina; ary nataony hoe, ranomasina, ny rano tafangona, ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 11 Dia hoy Andriamanitra: Aoka ny tany haniry ahitra maitso sy anana mamoa ary hazo mamoa, samy mamoa misy ny voany ao aminy, araka ny karazany avy, eny ambonin'ny tany. Dia tanteraka izany. 12 Ary ny tany naniry ahitra maitso sy anana mamoa samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa misy ny voany ao aminy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 13 Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahatelo. 14 Hoy Andriamanitra: Misia fanazavana eo amin'ny habakabaky ny lanitra, mba hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka izy ho famantarana, ka hanamarika ny fotoana, ny andro, ny taona;

15 ary aoka ho fanazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra hanazava ny tany. Dia tanteraka izany. 16 Nanao ny fanazavana roa lehibe Andriamanitra; ny lehibebe kokoa hitarika ny andro, ny kelikely kokoa hitarika ny alina, ary nanao ny kintana koa. 17 Napetrak'Andriamanitra eo amin'ny habakabaky ny lanitra ireo hanazava ny tany, 18 hitarika ny andro sy ny alina, hampisaraka ny mazava sy ny maizina; ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 19 Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahefatra. 20 Hoy Andriamanitra: Aoka ny rano ho be zava-manana aina mihelotrelotra; ary aoka ny vorona hanidina ambonin'ny tany, eny amin'ny habakabaky ny lanitra.

21 Dia noharin'Andriamanitra ny biby vaventy anaty rano, sy ny zava-manana aina mihetsiketsika rehetra, mihelotrelotra anatin'ny rano, samy araka ny karazany avy, mbamin'ny voro-manidina manana elatra rehetra araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 22 Dia nitsodrano an'ireo Andriamanitra nanao hoe: Miteraha maro sy mitomboa ary mamenoa ny ranomasina; ary aoka ny vorona hihamaro eo ambonin'ny tany. 23 Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahadimy. 24 Hoy Andriamanitra: Aoka ny tany hamoaka zava-manana aina, araka ny karazany avy, dia ny biby fiompy, ny biby mikisaka sy ny bibin'ny tany, araka ny karazany avy. Dia tanteraka izany.

25 Nataon'Andriamanitra ny bibin'ny tany, araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy araka ny karazany avy, mbamin'izay rehetra mikisaka amin'ny tany, araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 26 Rehefa izany dia hoy Andriamanitra: Andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika, mifanahaka amintsika, ka aoka hanjakany avokoa ny hazandrano ao amin'ny ranomasina, ny voro-manidina eny amin'ny habakabaka, ny biby fiompy sy ny tany rehetra, ary ny biby mandady mikisaka amin'ny tany.

27 Ary Andriamanitra nahary ny olona mitovy endrika aminy; mitovy endrika amin'Andriamanitra no nahariany azy, ary nataony lahy sy vavy izy ireo. 28 Dia nitso-drano azy ireo Andriamanitra ka nanao taminy hoe: miteraha maro, mitomboa, mamenoa ny tany, ka mizakà azy; ary anjakao ny hazan-drano ao amin'ny ranomasina, ny voro-manidina mbamin'ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin'ny tany. 29 Ary hoy Andriamanitra: Indro omeko anareo ny anana mamoa rehetra eo ambonin'ny tany, mbamin'ny hazo rehetra misy voankazo manana ny voany ao aminy; izany no atao fihinanareo. 30 Fa ho an'ny bibin'ny tany mbamin'ny voro-manidina sy izay rehetra mihetsiketsika eto ambonin'ny tany, ka manam-pofon'aina ao aminy, dia ny zava-maitso rehetra no omeko ho fihinany. Dia tanteraka izany. 31 Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ka tsara indrindra izany. Ary nisy hariva sy nisy maraina: izay no andro fahenina.

Toko faha-2

1 Toy izany no nahavitan'ny lanitra sy ny tany mbamin'izay rehetra nomba azy.

2 Ary tamin'ny andro fahafito dia efa vitan'Andriamanitra ny asa nataony; ka tamin'ny andro fahafito izy nitsahatra tamin'ny asa rehetra nataony. 3 Ary Andriamanitra nitso-drano ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany andro izany no nitsaharany tamin'ny zavatra rehetra nohariny tamin'ny nanaovany azy. 4 Izao no tantaran'ny lanitra sy ny tany, rehefa voahary izy, rehefa vitan'ny Tompo Andriamanitra ny tany sy ny lanitra.

5 Teo ambonin'ny tany tsy mbola nisy hazo madinika eny an-tsaha, ary ny anana eny an-tsaha tsy mbola nisy nitsimoka, satria Iaveh Andriamanitra tsy mbola nandatsaka ranonorana amin'ny tany; ary ny olona hamboly ny tany koa tsy mbola nisy.

6 Nefa nisy entona niakatra avy amin'ny tany, sy nanondraka ny tany rehetra. 7 Vovo-tany no nanaovan'ny Tompo Andriamanitra ny olombelona, dia nofofoniny fofon'aina mahavelona ny vavorony, ka tonga zava-manana aina ny olona.

8 Ary Iaveh Andriamanitra nanao saha tany Edena, tany atsinanana, ka napetrany tao ny olona izay noforoniny. 9 Ary nampanirin'ny Tompo Andriamanitra tamin'ny tany izao hazo rehetra mahate-hijery sady fihinana isan-karazany izao sy ny hazon'aina tao afovoan'ny saha, ary ny hazon'ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy. 10 Nisy ony anankiray nivoaka ao Edena, hanondraka ny saha, ka avy eo izy dia nisampana efatra. 11 Fisòna no anaran'ny voalohany; io no mandeha manodidina ny tany Hevilaty rehetra, izay misy ny volamena. 12 Ary tsara ny volamena amin'izany tany izany. Any koa no misy ny bdelioma sy ny vato oniksa. 13 Geona no anaran'ny ony faharoa; io no manodidina ny tany Kosy rehetra. 14 Tigra no anaran'ny ony fahatelo; io no mandeha ao atsinanan'i Asora. Ary Eofrata no anaran'ny ony fahefatra. 15 Dia nalain'ny Tompo Andriamanitra ralehilahy, ka napetrany tao amin'ny sahan'i Edena, mba hiasa sy hiandry azy.

16 Ary Iaveh Andriamanitra nanome izao didy izao an-dralehilahy: Azonao ihinanana avokoa ny hazo rehetra eto amin'ny saha. 17 Nefa aza ihinananao ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa ho faty mihitsy hianao amin'ny andro hihinananao. 18 Ary hoy Iaveh Andriamanitra: Tsy tsara raha irery ny lehilahy; fa hanaovako mpanampy azy mitovy aminy izy. 19 Ary Iaveh Andriamanitra, izay efa namorona tamin'ny tany ny biby rehetra eny an-tsaha sy ny vorona rehetra eny amin'ny habakabaka dia nampiavy azy hankeo amin-dralehilahy mba hahitany izay hanononany azy avy; hitondran'ny zava-manana aina rehetra ny anarana homen-dralehilahy azy avy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2058