Bokin'i Amosy

Amosy toko 9. 11-15

       11 Amin'izany andro izany ny tranobongon'i Davida efa nianjera, hatsangako indray,
ny banga hotapenako, ny rava hamboariko;
ka haoriko indray ho tahaka ny tamin'ny andro taloha;
       12 mba hananan'izy ireo izay sisa amin'i Edoma,
mbamin'ny firenena rehetra niantsoana ny anarako,
- teny marin'Iaveh, izay manao izany zavatra izany.
       13 Indro avy ny andro, - teny marin'Iaveh,
ka ny mpiasa tany hahatratra ny mpijinja;
ary ny mpanosihosy voaloboka, hahatratra ny mpanely voa famafy;
hitete avy amin'ny tendrombohitra ny divay vaovao,
ary ny havoana rehetra hitsonika.
       14 Hampodiko indray ny babo amin'Israely vahoakako;
ka ny tanàna rava, haoriny sy honenany indray;
ny voaloboka hamboleny, hisotroany ny divay avy aminy;
hanao tanimboly izy ireo, hihinanany ny vokany.
       15 Hamboleko eo amin'ny taniny izy,
ka tsy hongotana intsony hiala amin'ny tany,
izay efa nomeko azy, hoy Iaveh, Andriamanitrao.