Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-11

1 Ren'ny Apostoly sy ny rahalahy tany Jodea fa hoe nandray ny tenin'Andriamanitra koa ny jentily.

2 Koa nony tafakatra tany Jerosalema Piera, dia nomen'ireo mpino voafora tsiny, 3 nataony hoe: Nahoana hianao no niantrano tany amin'ny olona tsy voafora, sady niara-nihinana taminy? 4 Dia nitantara ny zavatra niseho hatramin'ny niandohany Piera ka nanao hoe: 5 Raha nivavaka tany an-tanàna Jope aho, dia azon-tsindrimandry ka nahita zavatra anankiray toa lamba lehibe nifatotra tamin'ny zorony efatra, nidina avy any an-danitra, tonga tao amiko. 6 Nony nijery azy aho ka nandinika, dia hitako tao ny biby manana tongotra efatra, ny biby dia, ny biby mandady, ary ny voro-manidina. 7 Ary nisy feo reko koa nanao hoe: Mitsangàna, ry Piera, mamonoa ka mihinàna. 8 Fa hoy izaho: Sanatria, Tompoko, tsy mbola nisy zavatra fady sy maloto mba niditra tao am-bavako. 9 Fa niteny indray ilay feo tany an-danitra nanao hoe: Aza ataonao ho maloto izay efa nodiovin'Andriamanitra. 10 Intelo no naverina natao izany, dia nakarina tany an-danitra indray izany rehetra izany. 11 Niaraka tamin'izay, dia indreo nisy olona telo lahy tonga tao an-trano nitoerako, nirahina avy tany Sezarea hankany amiko. 12 Ary hoy ny Fanahy Masina tamiko: Aza misalasala hiaraka amin'izy ireo. Dia niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto, ka niditra tao an-tranon'i Kornely izahay. 13 Notantarain-dralehilahy taminay ny nahitany ny anjely nitsangana tao an-tranony, ka nanao taminy hoe: Maniraha ho any Jope, ampanalao Simona izay atao hoe Piera,

14 fa izy no hilaza aminao ny teny izay hahavonjy anao sy ny ankohonanao rehetra. 15 Ary raha vao niteny tamin'izy ireo aho, dia nidina taminy toy ny nidinany tamintsika taloha koa ny Fanahy Masina. 16 Tamin'izay dia tsaroako ny tenin'ny Tompo nanao hoe: Joany nanao batemy tamin'ny rano, fa hianareo kosa hatao batemy amin'ny Fanahy Masina. 17 Koa raha fanomezana sahala no nomen'Andriamanitra azy sy antsika izay nino an'i Jesoa-Kristy Tompo, iza moa aho no ho afa-mifanohitra amin'Andriamanitra? 18 Nony nandre izany izy ireo, dia sady nangina no nankalaza an'Andriamanitra nanao hoe: Efa nomen'Andriamanitra ny fibebahana hahazoany ny fiainana koa ny jentily.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1503