Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-13

13 Dia niondrana an-tsambo tao Pafosy Paoly sy ny namany, ka tonga tany Perjy any Panfilia; ary nisaraka tamin'izy ireo teo i Joany, ka lasa niverina tany Jerosalema.

14 Fa izy ireo kosa niala tany Perjy, dia tonga tany Antiokia any Pisidia, ary niditra tao amin'ny sinagoga izy tamin'ny andro sabata, ka nipetraka teo. 15 Nony vita ny famakiana ny bokin'ny Lalàna sy ny mpaminany, dia nilaza tamin'izy ireo ny lehiben'ny sinagoga nanao hoe: Ry rahalahy, ataovy raha misy teny famporisihana holazainareo amin'ny olona. 16 Dia nitsangana Paoly, nanofa tànana azy hangina, ka nanao hoe: Mihainoa, ry Israelita, sy hianareo izay matahotra an'Andriamanitra.

17 Ny Andriamanitr'izao vahoaka Israely izao no efa nifidy ny razantsika, sy nanandratra ny vahoaka fony izy nitoetra tany Ejipta; ary tamin'ny sandry mahery no nanesorany azy tao. 18 Namelona azy tokony ho efa-polo taona tany an'efitra izy, 19 ary nony efa nandrava firenena fito tany amin'ny tany Kanaana izy dia nanome ny faritanin'ireny ho fananany, 20 tokony ho dimam-polo sy efa-jato taona. Taorian'izany dia nomeny mpitsara izy ireo, hatramin'i Samoely mpaminany. 21 Nony afaka izany dia nangataka mpanjaka izy ireo, ka nomen'Andriamanitra an'i Saoly zanak'i Sisy, lehilahy avy amin'ny fokon'i Benjamina, naharitra efa-polo taona. 22 Nony nesoriny kosa indray i Saoly, i Davida no natsangany ho mpanjakan'izy ireo,dia ilay nankatoaviny tamin'ny teny hoe: Efa hitako Davida zanak'i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitra-poko rehetra. 23 Avy tamin'ny taranany no namoahan'Andriamanitra an'i Jesoa, araka ny nampanantenainy, ho Mpamonjy an'Israely. 24 Talohan'ny nahatongavany anefa, dia Joany no nitory batemim-pibebahana tamin'ny vahoaka Israely rehetra; 25 ary rahefa nadiva ho tapitra ny dian'i Joany, dia hoy izy: Tsy izaho no ilay andrasanareo, fa indro avy ao aoriako izy, ka tsy mendrika ny hamaha ny kofehin-kapany akory aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0781