Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-15

22 Nankasitrahan'ny Apostoly sy ny Pretra mbamin'ny Eglizy rehetra izany ; ka nifidy ny sasany tamin'izy rehetra izy ireo, mba hirahina ho any Antiokia hiaraka amin'i Paoly sy Barnabe: dia Joda izay atao hoe Barsabasy, sy Silasy, lehilahy lohandohany tao amin'ny rahalahy, no laniny.

23 Ka izao no taratasy nampitondrainy azy ireo: Ny Apostoly sy ny Pretra ary ny rahalahy avy miarahaba ny rahalahy any amin'ny jentily, izay any Antiokia sy Siria ary Silisia. 24 Noho ny nandrenesanay fa misy olona avy taty aminay, izay tsy nahazo teny taminay velively, nampitabataba anareo tamin'ny teniny sy nampitebiteby ny sainareo, 25 dia nivory izahay rehetra, ka nifanara-kevitra ny hifidy olona hirahina ho any aminareo, hiaraka amin'i Barnabe sy Paoly malalanay, 26 lehilahy nanao vy very ny ainy ho voninahitry ny anaran'i Jesoa-Kristy Tompontsika. 27 Koa indreny i Joda sy Silasy nirahinay hilaza am-bava izany zavatra izany aminareo. 28 Sitraky ny Fanahy Masina sy izahay ny tsy hampitondra entana anareo, afa-tsy izao zavatra tsy maintsy tandremana izao: 29 dia ny hifadianareo ny hena natolotra tamin'ny sampy, sy ny rĂ , ary ny biby nokendaina, mbamin'ny fijangajangana; soa ho anareo ny mifady an'izany. Veloma. 30 Dia nalefany izy ireo ka lasa nankany Antiokia; ary namory ny olona sy nanolotra ny taratasy tamin'izy ireo.

31 Nony namaky izany ny olona, dia nifaly avokoa noho ny fanalana alahelo tao anatiny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1587