Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-15

7 ka niady hevitra mafy naharitra ela; fa nitsangana Piera ka nanao taminy hoe: Ry rahalahy, fantatrareo fa efa ela izay no nifidianan'Andriamanitra ahy teto aminareo mba handrenesan'ny jentily amin'ny vavako ny tenin'ny Evanjely sy hinoany. 8 Ary Andriamanitra izay mahalala ny fo, dia naneho ny fankasitrahany azy ireo tamin'ny nanomezany azy ny Fanahy Masina tahaka antsika koa; 9 nataony tsy nisy hafa isika sy izy, fa nodioviny tamin'ny finoana ny fony. 10 Koa nahoana àry no maka fanahy an'Andriamanitra hianareo izao, ka manisy jioga amin'ny vozon'ny mpianatra, nefa samy tsy nahazaka izany na isika na ny razantsika? 11 Fa noho ny fahasoavan'i Jesoa Tompo ihany no inoantsika hahazoana famonjena, tahaka ny azy ireo ihany koa. 12 Dia nangina ny olona rehetra, ka nihaino an'i Barnabe sy Paoly nitantara ny famantarana amam-pahagagana betsaka nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny jentily. 13 Nony nitsahatra ny tenin'izy roa lahy, dia namaly Jakoba nanao hoe: Ry rahalahy, henoy aho.

14 Ny amin'ny namangian'Andriamanitra ny jentily aloha, mba hangalany vahoaka hanaja ny anarany amin'izy ireo, dia efa voatantaran'i Simona. 15 Ary mifanaraka amin'izany koa ny tenin'ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe: 16 Rahefa afaka izany, dia hiverina aho, ka haoriko indray ny tranon'i Davida izay efa nianjera; hamboariko izay rava, dia hantsangako indray izy, 17 mba hitady ny Tompo ny olona sisa mbamin'ny jentily rehetra izay niantsoana ny anarako, hoy ny Tompo, 18 izay manatanteraka izany zavatra fantatra hatrizay hatrizay izany. 19 Koa amin'izany, izao no hevitro: tsy mety ny manome fahasahiranana ny jentily izay manatona an'Andriamanitra, 20 fa aoka hampitondrana taratasy izy ireo mba hifady ny hena natolotra tamin'ny sampy, sy ny fijangajangana, ary ny biby nokendaina, mbamin'ny rà. 21 Fa hatramin'ny taranaka mifanesy hatry ny ela dia manana izay mitory azy isan-tanàna rehetra Moizy, satria vakina ao amin'ny sinagoga isan-tsabata ny teniny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1178