Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-16

11 Koa dia niondrana an-tsambo tany Troasy izahay, ka nizotra nankany Samotrasy, ary ny ampitso dia nankany Neapolisy.

12 Nony niala teo izahay dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin'izany fari-tanin'i Masedonia izany, sy zana-tany romana. Nampianatra andro vitsivitsy tamin'izany tanàna izany izahay. 13 Ary tamin'ny andro sabata, dia nivoaka teo ivelan'ny vavahady izahay, ka nankeny amoron'ny ony, fa nataonay ho any no toerana fivavahana; nipetraka teo izahay dia niresaka tamin'ny vehivavy izay tafavory teo. 14 Nisy vehivavy anankiray tamin'izy ireo atao hoe Lidia mpivaro-jaky, avy any an-tanàna Tiatira, izay nivavaka tamin'Andriamanitra; nihaino anay izy, ary nosokafan'Andriamanitra ny fony mba hitandrina izay nolazain'i Paoly. 15 Ary rahefa vita batemy izy mbamin'ny ankohonany, dia nangataka taminay izy nanao hoe: Raha mba ataonareo ho mpanompon'Andriamanitra koa aho, dia midira ao an-tranoko ka mitoera ao. Nanaovany lemozy mihitsy izahay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0958