Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-16

22 Niaraka tamin'izay dia nirohotra hamely azy ny vahoaka; nasain'ny mpitsara nendahana ny lambany vao handalasina amin'ny hazo izy ireo. 23 Ary rahefa naratra be ihany izy, dia nataony an-tranomaizina, ka nasainy hambenan'ny mpiambina mafy. 24 Nony nahazo teny toy izany ny mpiambina, dia nampiditra azy tao amin'ny tranomaizina anatiny indrindra, sy nangia ny tongony tamin'ny bolaky hazo. 25 Rahefa tokony ho nisasaka ny alina, dia nihira fiderana an'Andriamanitra Paoly sy Silasy, ka nihaino azy ny tao an-tranomaizina.

26 Niaraka tamin'izay dia nisy horohoron-tany mafy dia mafy, nanozongozona ny trano hatrany am-potony, ka nivoha tampoka ny varavarana rehetra, ary nivaha daholo ny fatoran'izy rehetra. 27 Taitra tamin'izay ny mpiambina ny tranomaizina, ka nony nahita ny varavaran'ny tranomaizina nivoha izy, dia nanatsoaka ny sabany ndeha hamono tena, satria nataony ho nitsoaka nandositra ny mpifatotra. 28 Fa niantso tamin'ny feo mahery Paoly nanao hoe: Aza mamono tena foana, fa eto daholo ihany izahay rehetra. 29 Dia nangataka jiro ny mpiambina, ka niditra faingana sady nangovitra niankohoka teo an-tongotr'i Paoly sy Silasy. 30 Nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no tokony hataoko mba ho voavonjy aho? 31 Ary hoy ny navalin'izy roa lahy: Minoa an'i Jesoa Tompo, dia ho voavonjy hianao sy ny ankohonanao. 32 Dia nilazan'izy roa lahy ny tenin'ny Tompo izy sy izay rehetra tao an-tranony. 33 Iny alina iny ihany, dia nitondra azy roa lahy izy, ka nanasa ny feriny; ary tamin'izay ora izay ihany dia natao batemy izy, sy ny tao an-tranony rehetra. 34 Dia nentiny nankao an-tranony izy roa lahy, ka norosoany hanina, ary nifaly izy mianakavy rehetra, satria efa nino an'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1087