Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-18

9 Indray alina, dia hoy ny Tompo tamin'i Paoly tamin'ny tsindrimandry: Aza matahotra, fa mampianara, ka aza mangina. 10 Satria momba anao aho ka tsy hisy olona hahazo hanisy ratsy anao, sady be ny vahoakako amin'ity tanàna ity. 11 Dia nitoetra tao herintaona sy enim-bolana izy, nampianatra ny tenin'Andriamanitra tao. 12 Ary nony Galiona no governora tao Akaia, dia niray tetika hamely an'i Paoly ny Jody, ary nitondra azy teo amin'ny fitsarana,

13 ka nanao hoe: Ilay ity mitaona ny olona hanaraka fombam-pivavahana mifanohitra amin'ny Lalàna. 14 Nony niloa-bava ndeha hamaly i Paoly, dia hoy Galiona tamin'ny Jody: Ry Jody, ny amin'ny ratsy natao, na ady heloka no ihainoako ny fitorianareo; 15 fa raha izay ady hevitra momba ny fampianarana sy ny anarana, ary ny lalànareo kosa, raharahanareo izany, ka tsy te-hitsara an'izany aho. 16 Dia noroahiny hiala teo amin'ny fitsarana izy ireo. 17 Tamin'izay dia nosamborin'izy rehetra Sostena lehiben'ny sinagoga, ka nokapohiny teo anoloan'ny fitsarana; fa tsy nahoan'i Galiona akory izany. 18 Mbola nitoetra tao Korinta andro maromaro ihany Paoly, vao nanao veloma ny rahalahy, ka niondrana nankany Siria, niaraka tamin'i Prisila sy Akilasy, ary nohetezany tao Senkrea ny volon-dohany, fa nisy voady nataony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1903