Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-4

32 Ary niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra; tsy nisy nilaza ny fananany hoe azy, fa niombonany daholo ny zavatra rehetra.

33 Tamin-kery lehibe no nanamarinan'ny Apostoly ny nitsanganan'i Jesoa Tompo tamin'ny maty, ary fahasoavana be no teo amin'izy rehetra. 34 Tsy nisy mahantra teo amin'izy ireo, satria izay rehetra nanan-tany na trano, dia nivarotra azy sy nitondra ny vidin'izay lafo, 35 ary nametraka azy teo an-tongotry ny Apostoly, ka nozarazaraina tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.084