Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-5

27 Dia nentiny izy ireo ka napetrany tao amin'ny Sanedrina, sy nadinin'ny lehiben'ny mpisorona hoe:

28 Efa noraranay mafy hianareo mba tsy hampianatra amin'izany anarana izany, kanjo vao mainka naelinareo eran'i Jerosalema ny fampianaranareo, ary izahay indray tadiavinareo hianjeran'ny ran'iny Lehilahy iny. 29 Fa namaly Piera sy ny Apostoly ka nanao hoe: Aleo manaiky an'Andriamanitra toy izay ny olombelona. 30 Natsangan'Andriamanitry ny razantsika tamin'ny maty Jesoa, izay novonoinareo nahantona tamin'ny hazo. 31 Izy nasandratry ny tànana an-kavanan'Andriamanitra ho Mpifehy sy Mpamonjy, mba hanome fibebahana sy famelan-keloka an'Israely. 32 Ary izahay sy ny Fanahy Masina nomen'Andriamanitra an'izay rehetra manaiky azy no vavolombelon'izany zavatra izany. 33 Nisafoaka izay tsy izy ry zareo tamin'ny fandrenesana izany ka nifanara-kevitra izy fa hamono azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.105