Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-5

34 Fa nitsangana teo amin'ny Sanedrina kosa ity Farisiana anankiray atao hoe Gamaliely, mpampiana-dalàna malaza tamin'ny vahoaka rehetra, ka nasainy navoaka kely ny Apostoly. 35 Dia hoy izy: Ry Isrealita, tandremo ihany izay hataonareo amin'ireo lehilahy ireo. 36 Fa tsy ela akory izay no nisehoan'i Teodasy izay nanao ny tenany ho zavatra, sady efa nisy tokony ho efa-jato lahy no nomba azy; kanjo nony novonoina izy, dia nihahaka izay rehetra nanaraka azy ka tonga tsinontsinona. 37 Taorian'izany indray, tamin'ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana koa i Jodasy avy any Galilea nitarika ny vahoaka hanaraka azy: kanjo nony novonoina izy, dia nihahaka ihany koa izay rehetra nomba azy. 38 Koa ankehitriny, izao no hevitra omeko anareo: aza manan-draharaha amin'ireo lehilahy ireo akory, fa avelao izy handeha; satria raha avy amin'olona izao hevitra na raharaha izao, dia ho foana ho azy; 39 fa raha avy amin'Andriamanitra kosa, tsy ho hainareo foanana velively, sao dia miseho ho mpiady amin'Andriamanitra hianareo. 40 Dia narahin'izy ireo izany toroheviny izany ka nantsoiny indray ny Apostoly, ary nony efa nasainy nokapohina tamin'ny tsora-kazo sy noraràny mafy tsy hiteny amin'ny anaran'i Jesoa intsony, dia nalefany.

41 Nony niala tamin'ny Sanedrina ny Apostoly, dia nandeha an-kafaliana, satria natao ho mendrika ny hitondra fahafaham-baraka noho ny anaran'i Jesoa. 42 Ary tsy nitsahatra ny nampianatra sy nitory isan'andro tao an-tempoly sy tany an-tranon'olona izy ireo fa Jesoa no Kristy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.033