Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-7

8 Dia nomeny fanekena amin'ny famorana Abrahama, ka nony niteraka an'i Isaaka dia namora azy tamin'ny andro fahavalo; Isaaka kosa niteraka sy namora an'i Jakoba, ary Jakoba an'ireo Patriarka roa ambin'ny folo lahy. 51 Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo aman-tsofina, manohitra ny Fanahy Masina mandrakariva hianareo; tahaka ny nataon'ny razanareo ihany no ataonareo koa.

52 Zovy moa no mpaminany tsy nenjehin'ny razanareo? Novonoiny hatramin'izay nilaza rahateo ny hahatongavan'ilay Marina aza; ary ankehitriny indray hianareo dia namadika sy namono azy, 53 dia hianareo izay nahazo ny Lalàna tamin'ny alalan'ny anjely, kanefa tsy nitandrina azy. 54 Nony nandre izany izy ireo, dia nisafoaka ny fony, ary nihidy vazana taminy izy.

55 Fa Etiena kosa feno ny Fanahy Masina dia nibanjina ny lanitra, ka nahita ny voninahitr'Andriamanitra sy Jesoa nitsangana teo an-kavanan'Andriamanitra, ary nanao hoe: Indro hitako ny lanitra misokatra, mbamin'ny Zanak'olona mitsangana eo an-kavanan'Andriamanitra. 56 Fa indray nihoraka izy rehetra, sady nanentsin-tadiny no niara-niantoraka taminy. 57 Dia notaritiny tany ivelan'ny tanàna izy, ka notorahany vato; ary ny vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo an-tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly. 58 Raha mbola nitora-bato azy izy ireo, i Etiena kosa nivavaka nanao hoe: Jesoa Tompo ô! raiso ny fanahiko. 59 Dia nandohalika izy, ka niantso tamin'ny feo mahery hoe: Tompo ô! aza tànana izao hadisoany izao. Nony nilaza izany izy, dia nody mandry teo amin'ny Tompo. Ary Saoly nankatò ny namonoana azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0698