Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Asan'ny Apostoly

Asa toko 8, 1b-8,
Ny Eglizy enjehina - Filipo tao Samaria - Ilay Simona mpamoha angatra - Ny nanaovan'i Filipo batemy ilay manamboninahitr'i Kandasa mpanjakavavy.

       1Tamin'izany andro izany, dia nisy fanenjehana mafy tamin'ny Eglizy tao Jerosalema, ka niely tany Jodea sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany. 2Nisy mpivavaka tsara sasany nandevina an'i Etiena, sady nitomany azy fatratra. 3Fa Saoly kosa nanenjika ny Eglizy; nidirany nosarihany tany an-trano na lahy na vavy, ka nataony an-tranomaizina.
       4Ry zareo niely tamin'izay, dia nitety tany nitory ny tenin'Andriamanitra. 5Ary Filipo nidina tany an-tanànan'i Samaria, ka nitory ny Kristy tamin'ny olona tao. 6Nandre sy nahita ny fahagagana nataon'i Filipo ny vahoaka maro be, ka nihaino tsara izay nolazainy. 7Fa maro ny olona azon'ny fanahy maloto no nivoahany tamim-pikiakiahana mafy; betsaka ny malemy sy ny mandringa no sitrana koa; 8ka hafaliana moa izany no tao amin'izany tanàna izany! >