Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-8

26 Ary nisy anjelin'ny Tompo niteny tamin'i Filipo ka nanao hoe: Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo any amin'ny làlana midina avy any Jerosalema mankany Gazà, izay tanàna foana.

27 Dia nitsangana izy ka nandeha. Ary indro nisy lehilahy anankiray avy any Etiopia, olom-bositra sy manamboninahitra lehibe tao amin'i Kandasy mpanjakavavin'i Etiopia, sady mpitandrina ny fananany rehetra, tonga tao Jerosalema mba hivavaka. 28 Nony niverina izy, ka nipetraka teo ambonin'ny kalesiny, dia namaky ny bokin'Izaia mpaminany. 29 Ary hoy ny Fanahy tamin'i Filipo: Mandehana manatona io kalesy io. 30 Dia nihazakazaka Filipo ka nandre ilay olona namaky ny bokin'Izaia mpaminany, ary nanao taminy hoe: Moa fantatrao tsara va izay vakianao? 31 Ka hoy izy: Hataoko ahoana no fahalala izany raha tsy misy olona mitari-dàlana ahy? Dia nangataka an'i Filipo hiakatra ho eo aminy izy. 32 Ary izao no novakiny tao amin'ny Soratra Masina: Nentina hovonoina mova tsy ny ondry izy, ary tsy niloa-bava toy ny zanak'ondry moana eo anatrehan'ny mpanety azy.

33 Fitsarana miangatra erý no nanesorana azy; ary iza tamin'ny niara-belona taminy no nihevitra fa nongotana tamin'ny tanin'ny velona izy? 34 Dia niteny tamin'i Filipo ilay olona nanao hoe: Masìna hianao, iza no antsoin'ny mpaminany amin'izany? ny tenany ve sa olon-kafa? 35 Ary Filipo niloa-bava, nanomboka tamin'ireo tenin'ny Soratra Masina ireo, ka nitory an'i Jesoa taminy. 36 Nony nandeha kelikely izy ireo, dia sendra rano, ka hoy ilay manamboninahitra: Indro eo rano, ka inona no misakana ahy tsy hatao batemy?

37 Dia hoy Filipo: Raha mino amin'ny fonao rehetra hianao, dia azo atao ihany izany. Ary namaly izy nanao hoe: Mino aho fa Jesoa-Kristy no Zanak'Andriamanitra. 38 Dia nasainy najanona ny kalesy, ary niara-nidina nankeo anaty rano izy sy Filipo, ka nanao batemy azy Filipo. 39 Nony niakatra avy teo amin'ny rano izy ireo, nentin'ny Fanahin'ny Tompo Filipo, ka tsy hitany intsony, fa nizotra ny làlany an-kafaliana izy. 40 Fa Filipo kosa tonga tany Azota, ary nitory ny Evanjely tamin'ny tanàna rehetra nandalovany mandra-pahatongany tany Sezarea.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1155