Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-9

1 Tamin'izany Saoly, dia mbola tsy nihevitra afa-tsy ny handrahona sy hamono ny mpianatry ny Tompo, ka nanatona ny lehiben'ny mpisorona izy,

2 nangataka taratasy taminy ho an'ny sinagogan'i Damasy mba hitondrany am-patorana ho any Jerosalema izay rehetra hitany manaraka izany làlana izany, na lahy na vavy. 3 Raha mbola teny an-dàlana izy ka efa mby akaikin'i Damasa dia nisy fahazavana tonga tampoka avy any an-danitra nanjelanjelatra nanodidina azy. 4 Dia lavo tamin'ny tany izy, ary nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana no manenjika ahy hianao? 5 Ka hoy izy: Iza moa hianao, Tompoko? - Ary hoy ny Tompo: izaho no Jesoa izay enjehinao; sasa-poana hianao mitroatra manohitra ny fanindronana. 6 Dia nangovitra sy very hevitra izy, ka nanao hoe: Tompo ô! inona no tianao hataoko? 7 Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka midira ao an-tanàna, ary ao no holazaina aminao izay tsy maintsy hataonao. Tafatsatoka talanjona foana ny olona niaraka taminy, fa nandre ny feo, nefa tsy nahita olona na iza na iza. 8 Nony niarina avy hatreo i Saoly, dia nanokatra ny masony, fa tsy nahita na inona na inona; ka olona no nitantana azy hankao Damasa. 9 Ary hateloana izy no tsy nahita, sady tsy nihinana na nisotro. 10 Tao Damasa fahizay dia nisy mpianatra anankiray atao hoe Anania; nilazàn'ny Tompo tamin'ny tsindrimandry hoe: Ry Anania. Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko.

11 Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka mandehana any amin'ny làlana atao hoe i Mahitsy; tadiavo ao an-tranon'i Jodà, fa misy lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsy, efa mivavaka izy izao. 12 (Tamin'izay koa Saoly dia nahita lehilahy anankiray tamin'ny tsindrimandry atao hoe, Anania izay niditra sy nametra-tànana taminy mba hampahiratra azy). 13 Ary Anania namaly hoe: Tompoko, reko tamin'ny olona maro fa loza loatra no nafitsok'io lehilahy io tamin'ny olonao masina tao Jerosalema; 14 ary atý indray izy izao nahazo fahefana tamin'ny lehiben'ny mpisorona koa mba hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao. 15 Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa io lehilahy io dia fanaka voafidy ho ahy, hitondra ny anarako eo anatrehan'ny jentily sy ny mpanjaka ary ny zanak'Israely; 16 ary hasehoko azy ny mafy tsy maintsy hiaretany noho ny anarako. 17 Dia nandeha Anania, ka nony tonga tao an-trano, dia nametra-tànana taminy nanao hoe: Ry Saoly rahalahy, Jesoa Tompo izay niseho taminao teo amin'ny làlana nalehanao, dia naniraka ahy mba hahiratra indray hianao sy ho feno ny Fanahy Masina. 18 Niaraka tamin'izay, nisy zavatra toy ny lanin-kazandrano niala teo amin'ny masony, ka nahiratra indray izy. Dia nitsangana izy ka natao batemy; 19 ary nihinan-kanina, ka dia natanjaka indray. Niara-nitoetra andro vitsivitsy tamin'ny mpianatra tao Damasa i Saoly, 20 ary nitory teo amin'ny sinagoga niaraka tamin'izay izy, ka nilaza fa Jesoa no Zanak'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1239