Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-9

31 Niadana ny Eglizy eran'i Jodea sy Galilea ary Samaria manontolo fahizany, sady nandroso tsara sy nandeha tamin'ny fahatahorana ny Tompo izy, no nihamaro tamin'ny famporisihan'ny Fanahy Masina koa.

32 Tamin'izay, raha namangy ny mpianatra rehetra isan-tanàna i Piera, dia nankao amin'ny olona masina izay nonina tao Lidà koa, 33 ka nahita lehilahy anankiray atao hoe Enea, izay nandry teo am-pandriana hatramin'ny valo taona, fa malemy, 34 ary nanao taminy hoe: Ry Enea, hanasitrana anao Jesoa-Kristy; mitsangàna ka amboary ny fandrianao. Dia nitsangana niaraka tamin'izay izy. 35 Nony nahita azy izay rehetra nonina tao Lidà sy Saròna, dia nibebaka nanatona ny Tompo avokoa. 36 Ary tany Jope nisy vehivavy anankiray mpianatra atao hoe Tabità, na hoe Dorkasy raha adika, izay nahavita asa soa amam-piantrana betsaka.

37 Narary izy tamin'izany andro izany, dia maty; ka nony avy nampandroiny ny fatiny, dia napetrany tao amin'ny efi-trano ambony. 38 Ary Lidà moa dia akaikin'i Jope ihany; ka ren'ny mpianatra fa hoe ao Piera, dia naniraka roa lahy ho any aminy izy ireo hangataka azy hoe: Aza miatoato hankaty aminay. 39 Dia nitsangana Piera ka niara-nandeha tamin'ireo. Nony tonga izy, dia nentiny tany amin'ny efitra ambony, ka nohodidinin'ny mpitondratena rehetra, izay sady nitomany no nampiseho taminy ny lamba aman'akanjo nataon'i Dorkasy fony fahavelony. 40 Navoakan'i Piera avokoa ny olona rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka, vao nanatrika ny faty nanao hoe: Ry Tabità, mitsangàna. Dia nahirany ny masony, ka nony nahita an'i Piera izy, dia niarina. 41 Ary Piera kosa nanolo-tànana azy, sy nampitsangana azy; dia niantso ny olona masina sy ny mpitondratena, ka nanolotra azy velona tamin'izy ireo. 42 Niely eran'i Jope manontolo izany, ka betsaka no nino ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2371