Bokin'i Daniely
Toko faha-3
25 Ary Azariasa, nitsangana nanao ity fivavahana ity; ka niloa-bava tao afovoan'ny lelafo nanao hoe: 34 Aza dia ho voatolotrao mandrakizay anie izahay noho ny amin'ny anaranao, ary aza dia foananao ny fanekenao.35 Aza dia esorinao aminay ny famindram-ponao, noho ny amin'i Abrahama sakaizanao, sy Isaaka mpanomponao ary Israely masinao,
36 izay nampanantenainao hampitomboin-taranaka ho toy ny kintana eny an-danitra, sy ny fasika eny amoron-dranomasina.
37 Fa efa nahena teo imason'ny firenena rehetra izahay, Tompo ô, sady voaetry ankehitriny amin'ny tany rehetra, noho ny fahotana nataonay.
38 Amin'izao fotoana izao izahay tsy manana mpanapaka na mpifehy, na mpaminany, na sorona dorana, na sorona fanatitra, na emboka manitra, na fitoerana hanateranay ny voaloham-bokatray eo anatrehanao ka hahitanay famindram-po.
39 Nefa Tompo ô, aoka ho voaray ihany anie izahay amin'izao fonay torotoro sy fanahy manetry tena
40 toy ny andraisanao ireo sorona ondralahy aman'ombalahy na zanak'ondry matavy arivo; aoka ho toy izany ny soronay ankehitriny eo anatrehanao, mbamin'ny fanekenay anao, fa tsy hahazo henatra izay mametraka ny fitokiany aminao.
41 Ankehitriny izahay manaraka anao amin'ny fonay rehetra, matahotra anao sy mitady ny tavanao.
42 Aza atao fola-tana-manondro izahay fa ento araka ny hamoram-ponao sy araka ny haben'ny famindram-ponao!
43 Vonjeo amin'ny fahagagana ataonao izahay, ary omeo voninahitra ny anaranao, Tompo ô!