Ny Detoronomy

Toko faha-10

12 Ary ankehitriny, ry Israely, inona moa no angatahin'ny Tompo Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny mba hatahoranao an'ny Tompo Andriamanitrao, amin'ny fizoranao eo amin'ny làlany rehetra, sy amin'ny fitiavanao ary fanompoanao an'ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy amin'ny fanahinao rehetra;

13 ary amin'ny fitandremanao ny didin'ny Tompo sy ny lalàny izay andidiako anao anio, mba ho sambatra hianao? 14 Jereo fa an'ny Tompo Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra, ary ny tany mbamin'izay rehetra eo aminy. 15 Kanefa ny razanao ihany no niraiketan'ny Tompo ho tiany; ary ny taranany nandimby azy, dia hianareo, no nofidiny tamin'ny vahoaka rehetra, araka izao hitanareo anio izao. 16 Koa forao ny fonareo, ary aza henjanina intsony ny hatokareo.

17 Iaveh Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra, Tompon'ny tompo, Andriamanitra lehibe mahery sy mahatahotra, tsy mba mizaha tavan'olona, na mandray kolikoly, 18 fa manome rariny ny kamboty sy ny mpitondra-tena; tia ny vahiny, sy manome hanina amam-pitafiana azy. 19 Tiavo ny vahiny, fa efa mba vahiny tany amin'ny tany Ejipta koa hianareo. 20 Matahora an'ny Tompo Andriamanitrao, manompoa azy; miraiketa aminy, ary ny anarany no ataovy fianianana. 21 Fa izy no reharehanao, izy no Andriamanitrao, izay nanao ho anao ireo zava-dehibe sy mahatahotra efa hitan'ny masonao. 22 Ny isan'ny razanao nidina nankany Ejipta dia olona fitopolo, fa hianao kosa ankehitriny dia efa nataon'ny Tompo Andriamanitrao maro toy ny kintana eny an-danitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1513