Ny Detoronomy

Toko faha-11

1 Tiava an'ny Tompo Andriamanitrao ary tandremo izay asainy tandremanao, dia ny lalàny amam-pitsìpiny ary ny didiny, mandritra ny andronao rehetra.

2 Tsy ny zanakareo izay tsy mahalala sy tsy nahita ny fananaran'ny Tompo Andriamanitrareo, fa hianareo ankehitriny no aoka hiaiky ny fahalehibeazany, ny tànany mahery, ny sandriny nahinjitra; 3 ny fahagagana aman'asa nataony teo afovoan'i Ejipta, tamin'i Faraona mpanjakan'i Ejipta sy tamin'ny taniny rehetra; 4 ny nafitsony tamin'ny tafik'i Ejipta, ny soavaly aman-kalesiny; akory izany namarinany ny ranon'ny ranomasina Mena, hanafotra an'ireny, fony izy nanenjika anareo! Akory izany nandringan'ny Tompo azy ho levona mandraka androany! 5 Aoka hiaiky hianareo ny nataony ho anareo tany an'efitra mandra-pahatonganareo amin'ity fitoerana ity; 6 izay nataony tamin'i Datàna sy Abirona zanak'i Eliaba, zana-dRobena, fa nivava ny tany ka nitelina azy mbamin'ny fianakaviany sy ny lainy ary ny olona rehetra momba azy teo afovoan'Israely rehetra. 7 Fa hianareo efa nahita maso ny asa lehibe nataon'ny Tompo. 8 Koa tandremo ny didy rehetra andidiako anareo anio, mba hahery hianareo ka hiditra ho tonga tompon'ny tany izay ndeha halehanareo hakana azy ho fanananareo; 9 ary mba ho lava andro any amin'ny tany izay efa nianianan'ny Tompo tamin'ny razanareo homena azy sy ny taranany, tany tondra-dronono aman-tantely. 10 Fa ny tany izay efa hidiranao hanananao azy, dia tsy mba tahaka ny tany Ejipta nialanareo, izay namafazanao sy nampidiranao rano amin'ny tongotrao, toy ny saha fambolena anana. 11 Fa ny tany halehanareo mba hanananareo azy, dia tany be tendrombohitra sy lohasaha izay mifoka ny rano avy amin'ny ranonoran'ny lanitra, 12 tany kolikolen'ny Tompo Andriamanitrao, ary tsinjovin'ny mason'ny Tompo tsy tapaka hatramin'ny voalohan'ny taona ka hatramin'ny faran'ny taona. 13 Raha mankatò ny didiko, izay andidiako anareo anio hianareo amin'ny fitiavana an'ny Tompo Andriamanitrareo sy amin'ny fanompoana azy amin'ny fonareo rehetra, sy amin'ny fanahinareo rehetra,

14 dia rotsahako ranonorana ny taninareo amin'ny fotoana, na loha-orana na ny fara-orana, ary hianao hanangona ny varinao sy ny divainao vaovao ary ny diloilonao; 15 hasiako ahitra koa ny sahanao ho an'ny biby fiompy, ary hihinana, ka ho voky hianao. 16 Mitandrema tena fandrao voasodoka ny fonareo, ka mivily hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka eo anatrehan'ireny hianareo; 17 dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'ny Tompo, ka ny lanitra hohidiany ary tsy hisy ranonorana; ny tany tsy hahavanona ny vokany, ary hianareo ho lany ringana faingana any amin'ny tany soa omen'ny Tompo anareo. 18 Koa ataovy ao amin'ny fonareo sy amin'ny fanahinareo àry izao teny lazaiko aminareo izao: Fehezo ho famantarana eo amin'ny tànanareo izy, ary ataovy toy ny fehin-kandrina eo anelanelan'ny masonareo.

19 Ampianaro ny zanakareo izany, resaho aminy izany, na mitoetra ao an-tranonao hianao, na mandeha amin'ny dia alehanao, na mandry hianao na miarina. 20 Soraty eo amin'ny tolàm-baravaranao izany sy eo amin'ny vavahadinao, 21 mba ho maro toy ny andron'ny lanitra ambonin'ny tany ny andronareo sy ny andron'ny taranakareo any amin'ny tany efa nianianan'ny Tompo tamin'ny razanareo homena azy. 22 Fa raha mitandrina tsara izao didy rehetra asaiko hotandremanareo izao hianareo, ka tia an'Andriamanitrareo sy mandeha amin'ny làlany rehetra ary miraiki-po aminy: 23 Iaveh kosa handroaka ireo firenena rehetra eo anoloanareo, ary hianareo hampanaiky firenena lehibe sy mahery noho hianareo. 24 Ho anareo avokoa ny tany rehetra hodiavin'ny faladian-tongotrareo; hatramin'ny efitra ka hatrany Libàna, ary hatramin'ny ony Eofrata ka hatramin'ny ranomasina andrefana, no ho faritaninareo. 25 Tsy hisy olona hahatoha anareo fa araka ny voalazan'ny Tompo Andriamanitrareo taminareo, dia handatsaka tahotra sy horohoro amin'ny tany rehetra hodiavinareo izy. 26 indro aho nametraka tsodrano sy ozona eo anoloanareo anio;

27 tsodrano, raha mankatò ny didin'ny Tompo Andriamanitrareo, izay andidiako anareo anio, hianareo; 28 ozona, raha tsy manaiky ny didin'ny Tompo Andriamanitrareo hianareo, fa mivily hiala amin'ny lalàna izay andidiako anareo anio ka lasa manaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo. 29 Raha avy izay hahatafidiran'ny Tompo Andriamanitrao anao, any amin'ny tany izay halehanao hakana azy ho fanananao, dia tonòny eo an-tendrombohitra Garizima ny tsodrano ary eo an-tendrombohitra Ebàla kosa ny ozona. 30 Ireo tendrombohitra roa ireo, dia moa tsy any an-dafin'i Jordany ambadiky ny làlana mihazo any andrefana, any amin'ny tanin'ny Kananeana, monina amin'ny Arabaha, tandrifin'i Galgalà, akaikin'ny terebintan'i More? 31 Fa ndeha hita an'i Jordany hianareo, ka halainareo ho anareo ny tany izay omen'ny Tompo Andriamanitrareo anareo, dia hanana azy hianareo ary honina ao. 32 Mitandrema tsara àry hanatanteraka ny lalàna sy ny fitsìpika ataoko eo anoloanareo anio.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.051