Ny Detoronomy

Toko faha-12

1 Izao no lalàna amam-pitsìpika izay tsy maintsy harahinareo tsara any amin'ny tany izay efa nianianan'ny Tompo Andriamanitry ny razanareo homena ho fanananareo amin'ny andro rehetra hiainanareo amin'izany tany izany.

2 Ravao hatrany am-potony ny fitoerana rehetra nanompoan'ireo firenena horoahinareo ny andriamaniny eny an-tendrombohitra sy eny amin'ny havoana ary eny ambanin'ny hazo maitso rehetra eny.

3 Aongàny, doroy amin'ny afo ny aserimany; poteho ny sarin'andriamaniny voasokitra, ary foany eo amin'izany fitoerana izany hatramin'ny anarany aza. 4 Aza manao toy izany amin'ny Tompo Andriamanitrareo;

5 fa tadiavo izy, amin'ny fitoerana izay hofidin'ny Tompo Andriamanitrareo eo amin'ny fokonareo rehetra, mba hametrahany ny anarany sy hataony fonenany, ka ao amin'io no halehanao. 6 Ao no hanateranareo ny soronareo dorana, ny soronareo, ny fahafolon-karenareo ary ny voatokan'ny tànanareo, ny fanalam-boadinareo, ny fanatitra an-tsitra-ponareo, ary ny voalohan-teraky ny omby aman'ondrinareo. 7 Ao no hanaovanareo sakafo eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrareo, sy hifalianareo, hianareo sy ny fianakavianareo, noho ny harena rehetra harin-tànanareo sy izay nitahian'ny Tompo Andriamanitrao anao. 8 Aza manao toy izao ataontsika ankehitriny izao, dia izao samy manaraka ny saim-patany avy izao; 9 fa izao hianareo tsy mbola tonga amin'ny fitsaharana aman-dova omen'ny Tompo Andriamanitrao anao. 10 Fa hita an'i Jordany hianareo, ka honina any amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrareo ho lovanareo, dia homeny fitsaharana hianareo, tsy hohelingelenin'ny fahavalo manodidina anareo, ka handry fahizay. 11 Amin'izay fitoerana hofidin'ny Tompo Andriamanitrareo hamponenany ny anarany no hanateranareo ny zavatra rehetra andidiako anareo, dia ny sorona doranareo, ny soronareo, ny fahafolon-karenareo, ny voatokan'ny tànanareo, ary ny fanatitra rehetra voafantina hanalanareo ny voadinareo izay nataonareo tamin'ny Tompo. 12 Dia hifaly eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrareo hianareo sy ny zanakareo lahy mbamin'ny zanakareo vavy, ary ny ankizilahy aman'ankizivavinareo, mbamin'ny Levita izay anatin'ny vavahadinareo, satria tsy mba niara-nandray anjara na lova taminareo izy. 13 Mitandrema mba tsy hanatitra ny sorona doranareo amin'izay fitoerana rehetra hitanareo; 14 fa izay fitoerana izay hofidin'ny Tompo amin'ny fokonareo anankiray ihany no hanateranao azy, sy hanaovanao izay rehetra andidiako anao. 15 Ny mamono zavatra sy mihinana ny henany anefa, dia azonao atao araka izay tianao any anatin'ny vavahadinao rehetra any, araka ny fanambinana homen'ny Tompo Andriamanitrao anao, ka samy mahazo mihinana amin'izany ny olona, na ny madio na ny maloto, toy ny fihinana gazela sy serfa;

16 ny ràny tokana no aza hanina, fa araraho amin'ny tany toy ny rano. 17 Tsy azonao hanina ao anaty vavahadinao ny fahafolon'ny varinao, sy ny divainao vaovao ary ny diloilonao, ny voalohan-teraky ny omby aman'ondrinao, ny fanolorana rehetra nanaovanao voady, ny fanatitra an-tsira-ponao, ny voatokan'ny tànanao;

18 fa eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrao, amin'ny fitoerana voafidin'ny Tompo Andriamanitrao no hihinananao azy, dia hianao sy ny zanakao lahy mbamin'ny zanakao vavy, ary ny ankizilahy aman'ankizivavinao, mbamin'ny Levita ao anatin'ny vavahadinao, dia hifaly eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrao hianao amin'ny fizakana ny harena rehetra harin-tànanao. 19 Mitandrema tsy hanary ny Levita mandritra ny andro rehetra hahavelomanao eo amin'ny taninao. 20 Rahefa nitarin'ny Tompo araka ny nampanantenainy anao ny faritry ny taninao, ka hoy hianao: Te hihinan-kena aho, fa mahatsiaro liana te hihinan-kena ny fanahinao, dia mahazo mihinan-kena isaky ny maniry izany hianao.

21 Raha lavitra anao ny fitoerana nofidin'ny Tompo Andriamanitrao, hametrahana ny anarany, azonao amonoana ny omby sy ny ondrinao izay nomen'ny Tompo anao, araka ny efa nandidiako anao; ary hihinana izany eo anatin'ny vavahadinao isaky ny maniry izany hianao. 22 Toy ny fihinana gazela sy serfa no hihinananao izany ka na ny olona madio na ny maloto dia samy mahazo mihinana azy. 23 Fa ataovy raikitra ny tsy fihinanana rà, satria ny rà no aina, ka tsy mahazo mihinana ny aina miaraka amin'ny hena hianao. 24 Aza mihinana izany, fa araraho amin'ny tany toy ny rano izy. 25 Aza mihinana izany mba ho sambatra hianao, hianao sy ny zanakao mandimby anao amin'ny fanarahana izay mahitsy eo imason'ny Tompo. 26 Fa ny fanatitra masina andidiana anao mbamin'izay nanaovanao voady, dia aloavy ary mankanesa amin'izay fitoerana nofidin'ny Tompo,

27 dia atero eo ambonin'ny otelin'ny Tompo Andriamanitrao, ny soronao dorana, ny nofony sy ny rany; ary amin'ny sorona hafa, ny rà dia haidina eo ambonin'ny otelin'ny Tompo Andriamanitrao, fa ny nofony dia hohaninao. 28 Toavy sy henoy izao zavatra rehetra andidiako anao izao, mba ho sambatra mandrakizay hianao, dia hianao sy ny zanakao manaraka anao, amin'ny fanatanterahana izay tsara sy mahitsy eo imason'ny Tompo. 29 Rahefa ho voaringan'ny Tompo Andriamanitrao ny firenena amin'izay tany halehanao mba handroaka azy eo anoloanao, ka efa voatosikao izy, ka hianao no honina amin'ny taniny;

30 dia mitandrema fandrao ho voafandrika hianao maka tahaka azy, rahefa voaringana teo anoloanao ireny; aza mikarokaroka ny andriamanitr'izy ireo hianao, manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan'ireo firenena ireo ny andriamaniny? Fa mba te-hanao toy izany koa aho. 31 Aza manao toy izany amin'ny Tompo Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra halan'ny Tompo no nataon'izy ireo tamin'ny andriamaniny, ary afoiny ho dorana aza ny zanany lahy sy ny zanany vavy ho fanajana ny andriamaniny. 32 Toavy sy araho izay rehetra andidiako anareo, fa aza ampiana, aza anesorana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0386