Ny Detoronomy

Toko faha-14

1 Zanak'Iaveh Andriamanitrareo hianareo. Aza mitetika ny tenanareo; aza misy faritra haratanareo amin'ny elanelan-masonareo, noho ny amin'ny maty.

2 Fa vahoaka masina ho an'ny Tompo Andriamanitra hianao, ary nofidin'ny Tompo mba ho vahoakany manokana amin'ny firenena rehetra eto ambonin'ny tany. 3 Aza mihinan-javatra maloto na inona na inona.

4 Izao no biby ho fihinanareo: ny omby, ny ondry sy ny osy,

5 ny serfa, ny gazela, ny daima, ny osy dia madinika, ny antilopa, ny ombimanga, ny osy dia. 6 Rahefa mety ho biby mivaky kitro sy mitsampan-tongotra ary mandinika dia hano; 7 fa aza mihinana izay mandinika fotsiny, na izay mivaky kitro sy misampan-tongotra fotsiny, toy ny rameva sy ny bitro dia amam-bitro, fa mandinika ireo, fa tsy mivaky kitro, maloto aminareo ireny; 8 toy izany koa ny kisoa, mivaky kitro ihany izy fa tsy mandinika, haloto aminareo izy, koa aza mihinana ny henany, aza mikasika ny fatiny. 9 Izao no biby hohaninareo amin'izay rehetra ao anaty rano: izay rehetra misy vombo aman-kirany dia hohaninareo,

10 fa aza mihinana izay rehetra tsy misy vombo aman-kirany, maloto aminareo izany. 11 Hano avokoa ny vorona madio rehetra.

12 Izao no tsy hohaninareo: ny egla, ny orofiray, ny papango; 13 ny voromahery, ny fanindry, mbamin'ny aotoro isan-karazany; 14 ny goaika isan-karazany, 15 ny ostrisa, ny tararaka, ny vorondriaka, mbamin'ny hitsikitsika isan-karazany; 16 ny vorondolo, ny ibisy, ny vorondolo be; 17 ny pelikano, ny manarana, ny vivy, 18 ny vano be, mbamin'ny vano isan-karazany, ny lavasanga, sy ny manavy. 19 Ny biby kely manan'elatra rehetra, dia hevero ho maloto, ka aza homana izany. 20 Fa ny vorona madio rehetra no hano. 21 Aza mihinam-biby maty ho azy, fa omeo ny vahiny ao anaty vavahadinao izany hohaniny, na amidio amin'ny vahiny. Fa hianao dia vahoaka masina ho an'ny Tompo Andriamanitrao. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.

22 Atokano ny fahafolon'ny vokatra rehetra avy amin'ny voa nafafinao, dia ny vokatry ny taninao isan-taona.

23 Ary hohaninao eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrao, amin'izay fitoerana hofidiny hamponenany ny anarany, ny fahafolon'ny varinao, sy ny divainao vaovao sy ny diloilonao, mbamin'ny voalohan-teraky ny omby aman-ondrinao, mba hianaranao hatahotra an'ny Tompo Andriamanitra mandrakariva. 24 Nefa raha lavitra loatra ho anao ny làlan-kaleha ka tsy azonao entina any izany noho ny halaviran'ny fitoerana hofidin'ny Tompo Andriamanitrao hamponenany ny anarany, rahefa nambinin'ny Tompo Andriamanitrao hianao, 25 dia takalozy vola ny fahafolom-bokatrao, ka fihino ao an-tànanao ny vola dia mankanesa amin'ny fitoerana izay nofidin'ny Tompo Andriamanitrao. 26 Amidio izay rehetra irin'ny fanahinao amin'ny vola, na omby, na ondry, na divay, na lalikera misy alikola, izay rehetra tian'ny fanahinao, ka mihinàna eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrao, ary mifalia hianao sy ny ankohonanao. 27 Aza manary ny Levita izay ao anatin'ny vavahadinao, fa tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy. 28 Amin'ny faran'isam-pahatelo taona dia atokàny ny fahafolon'ny vokatrao rehetra amin'izany taona izany, ary ataovy eo anatin'ny vavahadinao.

29 Ka aoka ho avy amin'izay ny Levita izay tsy mba manana anjara na lova eo aminao, mbamin'ny vahiny sy ny kamboty amam-pitondrantena izay ao anatin'ny vavahadinao, dia hihinana izy, ka hivoky mba hanambinan'ny Tompo Andriamanitrao anao amin'ny asa rehetra ataon'ny tànanao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0377