Ny Detoronomy

Toko faha-15

1 Amin'ny faran'ny isam-pahafito taona, dia manaova fanafahana.

2 Ka toy izao no hanaovana ny fanafahana: ny tompon-trosa rehetra izay nampanàna vola dia hanao famelana ny amin'izay nampisamboriny ny namany. Tsy hanery ny namana aman-drahalahiny izy rahefa voantso ny fanafahan'ny Tompo. 3 Azonao terena ny olon-kafa firenena; fa izay anao amin'ny rahalainao kosa, dia aoka hanaovan'ny tànanao famelana, 4 mba tsy hisy mahantra eo aminao. Fa hambinin'ny Tompo marina tokoa hianao, any amin'ny tany izay nomen'ny Tompo Andriamanitrao ho fanananao, 5 raha mihaino ny feon'ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fanarahana tsara ny didiny rehetra izay andidiako anao anio. 6 Fa dia hanambina anao Iaveh Andriamanitrao araka ny efa voalazany taminao; hampisambotra amin'ny firenena maro hianao, fa hianao tsy mba hisambotra kosa; hanapaka firenena maro hianao fa tsy mba hotapahina. 7 Raha misy mahantra ny rahalahinao ao anatin'ny anankiray amin'ny vavahadinao any amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tànanao amin'ny rahalahinao mahantra,

8 fa aoka hivelatra aminy ny tànanao; ka hampisambotra azy ny sahaza ilainy araka ny mahory azy. 9 Tandremo fandrao mitsiry ao am-ponao ity hevitra tsy mendrika ity hoe: Akaiky ity ny taona fahafito, taom-panafahana, ka ho ratsy maso amin'ny rahalahinao mahantra hianao amin'izay, ka tsy hanome na inona na inona azy, ka hitaraina amin'ny Tompo hiampanga anao izy, ka sao milonjo ota hianao. 10 Tsy maintsy manome azy hianao, ary aza misy alahelo ny fonao, raha manome azy hianao, fa izany no hanambinan'ny Tompo anao amin'ny asanao rehetra sy amin'ny raharaha rehetra hataonao. 11 Na oviana na oviana ny tany tsy ilaozan'olona ory; ka izany no anomezako anao ity didy ity: Aoka hamelatra ny tànanao amin'ny rahalahinao hianao, amin'ny ory sy ny mahantra eo amin'ny taninao. 12 Raha mivaro-tena aminao ny iray amin'ny rahalahinao hebrio na lahy izany na vavy, dia hanompo anao enin-taona izy; amin'ny taona fahafito, dia hovotsoranao ho afaka aminao izy.

13 Ary rahefa alefanao aminao izy, dia aza halefa hiala maina, 14 fa anomezo falim-pò mihitsy izy, avy amin'ny biby madinika fiompinao sy ny avy eo am-pamoloana amam-pamiazanao; ny harena izay nanambinan'ny Tompo Andriamanitrao anao no hanomezanao azy. 15 Tsarovy fa efa mba andevo tany amin'ny tany Ejipta hianao, saingy nanafaka anao Iaveh Andriamanitrao, ka izany no anomezako anao anio izao didy izao. 16 Raha ny ankizilahinao anefa no manao aminao hoe: Tsy te-hiala aminao aho noho ny fitiavany anao sy ny ankohonanao, sady finaritra izy ao aminao, 17 dia alaovy ny haolo ka teveho eo amin'ny varavarana ny sofiny, dia ho mpanomponao mandrakizay izy. Toy izany koa no hataonao amin'ny ankizivavinao. 18 Aoka tsy ho mafy aminao ny hamotsotra ny ankizilahinao ho afaka aminao, satria nahazoanao avo sasaka noho ny karaman'ny mpikarama ny nanompoany anao enin-taona, dia hambinin'ny Tompo Andriamanitrao hianao amin'izay rehetra hataonao. 19 Atokany ho an'ny Tompo Andriamanitrao ny lahy rehetra voalohan-teraky ny biby fiompinao, na vaventy na madinika; aza mampiasa ny voalohan-teraky ny ombinao, na manety ny voalohan-teraky ny ondrinao,

20 fa aoka hohaninao sy ny ankohonanao izany isan-taona eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrao any amin'ny fitoerana izay hofidiny. 21 Raha manan-kilema anefa izy, fa mandringa na jamba na misy kilema ratsy hafa na inona na inona, dia aza atolotra ho sorona amin'ny Tompo Andriamanitrao, 22 fa hano ao anatin'ny vavahadinao ihany, ka na olona maloto na olona madio, dia samy hihinana azy, toy ny fihinana gazela na serfa. 23 Faingy ny rany kosa no aza hanina, fa araraho amin'ny tany toy ny rano.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0818