Ny Detoronomy

Toko faha-19

1 Rehefa voaringan'ny Tompo Andriamanitrao ny firenena izay omen'ny Tompo anao ny taniny, rehefa voaroakanao izy, fa hianao no efa monina amin'ny tanànany sy ny tranony,

2 dia manokàna tanàna telo eo afovoan'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao anao ho fanananao. 3 Ataovy tsara voatra ny làlana mankao, ary zarao ho faritany telo ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao ho lovanao, mba hahazoan'izay mahafaty olona rehetra mandositra amin'ireo tanàna ireo. 4 Toy izao no hahavelona aina ny nahafaty olona ka mandositra ao: raha nahafaty ny namany tsy nahy izy, nefa tsy fahavalony teo aloha. 5 Ohatra ka misy olona mandeha hikapa hazo any an'ala, miaraka amin'ny olon-kafa anankiray; dia manainga ny famaky hikapa hazo ny tànany, fa mitsoaka amin'ny zarany ny lela famaky ka mahavoa ilay namany sy mahafaty azy: handositra amin'ny iray amin'ireo tanàna ireo ilay olona, dia ho velona aina. 6 Raha tsy izany, dia henjehin'ny mpamaly rà mbola mirehi-katezerana ilay nahafaty olona, ka ho trany raha lavitra loatra ny làlana, dia hasiany ho faty, nefa olona tsy tandrifin'ny hovonoina akory, noho izy tsy nanao halavolo teo aloha. 7 Izany no anomezako anao izao didy izao: Manokàna tanàna telo. 8 Ary raha itarin'ny Tompo Andriamanitrao ny faritaninao, araka ny efa nianianany tamin'ny razanao; ka omeny anao avokoa ny tany rehetra nampanantenainy ny razanao homena anao,

9 raha toa hianao mitandrina sy manaraka izao didy rehetra omeko anao anio izao, amin'ny fitiavana an'ny Tompo Andriamanitrao sy amin'ny fizorana amin'ny làlany mandrakariva, - dia ampio telo koa ireo tanàna telo ireo, 10 mba tsy halatsaka amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao anao ho lovanao, ny rà tsy manan-tsiny; ka dia tsy hisy rà ao aminao. 11 Fa raha olona mankahala ny namany kosa no manotrika hamely azy, ka irotsahany sy asiany ka mahafaty azy tokoa, ary mandositra amin'ny iray amin'ireo tanàna ireo, 12 dia haniraka hisambotra azy ny loholona amin'ny tanànany, sy hanolotra azy ho eo an-tànan'ny mpamaly rà, mba ho faty izy. 13 Aza miantra azy ny masonao fa esory amin'Israely ny rà tsy manan-tsiny, dia hiadana hianao. 14 Aza mamindra ny orim-baton'ny namanao efa vitan'ny razany amin'ny lova ho azonao eny amin'ny tany izay omen'ny Tompo Andriamanitrao anao ho fanananao.

15 Raha vavolombelona iray monja dia tsy hoekena hiampanga olona, ny amin'ny heloka na ota anankiray na ota inona na ota inona natao. Fa ny tenin'ny vavolombelona roa na tenin'ny vavolombelona telo ihany no hanaporofoana izany.

16 Raha misy vavolombelona mitsangana hanomboka olona ho nanao heloka,

17 dia hiseho eo anatrehan'ny Tompo izy roa lahy miady, eo anatrehan'ny mpisorona sy ny mpitsara izay tompon'anjara raharaha amin'izany andro izany; 18 ary hanao famotorana tsara ny mpitsara, koa raha hita fa vavolombelona mandainga ilay vavolombelona, fa nanao filazana tsy marina niampangany ny rahalahiny, 19 dia ampiharo aminy izay nokendreny hatao amin'ny rahalahiny. Izany no hamongoranao ny ratsy eo aminao. 20 Rehefa handre izany ny olon-kafa dia hatahotra ary tsy hisy sahy hanao zavatra ratsy tahaka izany eo aminao intsony.

21 Aza miantra maso akory: aina no solon'ny aina, maso no solon'ny maso, nify no solon'ny nify, tànana no solon'ny tànana, tongotra no solon'ny tongotra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0976