Ny Detoronomy

Toko faha-20

1 Raha mivoaka hiady amin'ny fahavalonao hianao, ka mahita soavaly aman-kalesy sy vahoaka maro noho hianao, dia aza matahotra azy fa momba anao Iaveh Andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Ejipta.

2 Rehefa mioman-kiady hianareo, aoka handroso ny mpisorona, dia hiteny amin'ny vahoaka ka hanao amin'izy ireo hoe: 3 Mihainoa, ry Israely. Miomàna hanafika ny fahavalonareo hianareo anio ka aza rera-po, aza matahotra, aza mihorohoro ary aza manam-badi-po eo anoloany, 4 fa Iaveh Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo hamely ny fahavalonareo, ary hamonjy anareo. 5 Dia hiteny amin'ny vahoaka ny manamboninahitra ka hanao hoe: Iza no nanao trano vaovao, ka mbola tsy nitokana azy: Aoka hiala izy ka hody any aminy fandrao maty an'ady ka olon-kafa no hitokana azy. 6 Iza no namboly tanim-boaloboka, ka mbola tsy nahazo vokatra taminy? Aoka hiala izy ka hody any aminy fandrao maty an'ady, ka olon-kafa no hahazo ny vokany. 7 Iza no nifamofo tamim-behivavy fa mbola tsy nampakatra azy? Aoka hiala izy ka hody any aminy, fandrao maty an'ady, ka olon-kafa no hampakatra azy. 8 Mbola hiteny amin'ny vahoaka ny manam-boninahitra ka hilaza aminy hoe: Iza no matahotra ary iza no rera-po? Aoka hiala izy ka hody any aminy mba tsy ho ketraka toy ny azy koa, ny fon'ny rahalahiny. 9 Rehefa tapi-miteny amin'ny vahoaka ny manam-boninahitra dia hitsangan-kitarika ny vahoaka ny mpifehy antoko-miaramila. 10 Rehefa mby akaikin'ny tanàna hotafihinao hianao, dia taomy hanao fihavanana izy.

11 Raha valiany fihavanana sy vohany hianao, dia ho mpandoa hetra sy mpanomponao avokoa ny olona rehetra ao. 12 Fa raha tsy manao fihavanana aminao kosa, fa te-hiady aminao izy dia ataovy fahirano. 13 Ka rehefa atolotry ny Tompo Andriamanitrao eo an-tànanao izy, dia vonoy amin'ny lelan-tsabatra ny lehilahy rehetra. 14 Fa ny vehivavy kosa, ny zaza, ny biby fiompy sy ny zavatra rehetra ao an-tanàna, izay mety ho babo, dia alaovy ho anao; ho azonao hanina ny babo rehetra avy tamin'ny fahavalonao, izay homen'ny Tompo Andriamanitrao anao. 15 Toy izany no hataonao amin'ny tanàna rehetra lavitra dia lavitra anao, tsy anisan'ny tanànan'ireto firenena ireto. 16 Fa raha ny amin'ny tanànan'ireo firenena izay nomen'ny Tompo Andriamanitrao ho lovanao, dia aza misy hovelomina ao, rehefa mety ho manam-pofon'aina koa. 17 Fa atokano ho anatema ireo firenena ireo, ny Heteana, ny Amoreana, ny Kananeana, ny Ferezeana, ny Heveana, ary ny Jeboseana, araka ny nandidian'ny Tompo Andriamanitrao anao, 18 mba tsy hampianarany anareo hanaraka ny fahavetavetana rehetra ataony amin'ny andriamaniny, ka tsy hanota amin'ny Tompo Andriamanitrareo hianareo. 19 Raha ela no anaovanao fahirano ny tanàna iray sy hiadianao aminy hakana azy dia aza levonina kapaina amin'ny famaky ny hazo, fa hohaninao ny voan'ireny ka aza alavo; sady olona koa ve ny hazo any an-tsaha, ka dia hataonao fahirano?

20 Fa ny hazo fantatrao fa tsy fihinam-bo kosa, dia azonao levonina sy alavo ihany ka hanaovanao milina hamelezana ny tanàna miady aminao, mandra-paharesiny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0466