Ny Detoronomy

Toko faha-23

1 Tsy hisy olona haka ny vadin-drainy na hanainga ny firakofan-drainy.

2 Izay torotoro vihy na tapa-pilahiana, dia tsy hiditra amin'ny fiangonan'ny Tompo.

3 Ny teraka amin'ny fanambadiana mahadiso, dia tsy hiditra amin'ny fiangonan'ny Tompo. Na dia ny taranany fahafolo aza tsy hiditra ny fiangonan'ny Tompo. 4 Ny Amonita sy ny Moabita dia tsy hiditra amin'ny fiangonan'ny Tompo, na dia hatramin'ny taranany fahafolo aza, dia tsy hiditra amin'ny fiangonan'ny Tompo na oviana na oviana; satria tsy tonga nitsena hanina sy rano anareo izy teny an-dàlana, fony hianareo nivoaka avy tany Ejipta: sady nampaka sy nanamby vola an'i Balaama, zanak'i Beora avy any Petora, any Mesopotamia, hanozona anao. 5 Saingy tsy nihaino an'i Balaama Iaveh Andriamanitrao, fa nampody ny fanozonana ho tso-drano ho anao Iaveh Andriamanitrao, noho ny fitiavan'ny Tompo Andriamanitrao anao. 6 Aza manan-draharaha amin'izay hahitany soa na hiadanan'izy ireo, na oviana na oviana, raha mbola velona koa hianao. 7 Aza mankahala ny Edomita, fa rahalahinao izy; aza mankahala ny Ejipsiana, fa efa vahiny tany amin'ny taniny hianao: 8 azo raisina hiditra amin'ny fiangonan'ny Tompo ny zaza nateraka avy amin'izy ireo, hatreo amin'ny taranaka fahatelo. 9 Raha mandeha am-pitobiana hiady amin'ny fahavalonao hianao, dia fadio ny zava-dratsy rehetra.

10 Raha misy olona tsy madio eo aminao noho ny zava-nahazo azy tamin'ny alina, dia hivoaka ny toby izy ary tsy hiditra ao amin'ny toby, 11 fa handro amin'ny rano izy nony harivariva ary hahazo miditra ny toby rehefa maty ny masoandro. 12 Aoka hisy toerana iray any ivelan'ny toby ka ao no hivoahanao, 13 ary asio lapely iray ny fitaovanao hihadianao lavaka, rehefa hipetraka any ivelany hianao, ka nony avy eo, dia totofy ny fivalananao. 14 Fa nandeha eo afovoan'ny tobinao Iaveh Andriamanitrao, mba hiaro anao ary hampanaiky resy ny fahavalonao eo anoloanao, ka tsy maintsy ho masina ny tobinao, ka tsy hahitan'ny Tompo zava-tsy mety ao aminao, mba tsy hialany aminao. 15 Aza atolotra ny tompony intsony, ny andevo nilefa mialoka ao aminao.

16 Aoka izy hitoetra eo aminao, eo amin'ny taninao, amin'ny toerana hofidiny, amin'ny anankiray amin'ny tanànanao, amin'izay mahafinaritra azy; aza mampahory azy hianao. 17 Aoka tsy hisy mpijangajanga amin'ny zanakavavin'Israely, aza misy mijangajanga ny zanakalahin'Israely.

18 Aza misy enti-manefa voady any an-tranon'ny Tompo Andriamanitrao, na ny tangim-behivavy janga na ny hofan'alikalahy, fa samy fahavetavetana eo imason'ny Tompo Andriamanitrao, ireo zavatra roa ireo. 19 Aza mampanàna amin'ny rahalahinao na vola, na hanina, na zavatra hafa azo ampananaina.

20 Ny olon-kafa firenena no azonao ampanànan-javatra, fa aza mba mampanàna amin'ny rahalahinao, mba hanambinan'ny Tompo Andriamanitrao anao, amin'izay rehetra hataonao, any amin'ny tany hidiranao hanananao azy. 21 Raha mivoady amin'ny Tompo Andriamanitrao hianao, dia aza ela fanefa izany, fa raha tsy izany dia hampamoahin'ny Tompo Andriamanitrao mihitsy hianao ny amin'izany, ka hivesatra fahotana.

22 Raha tsy mivoady hianao, dia tsy hisy fahotana ao aminao. 23 Fa ny teny naloaky ny vavanao dia tandremo sy efao, araka ny voady nataonao an-tsitra-po tamin'ny Tompo Andriamanitrao sy notononin'ny vavanao. 24 Raha miditra ny tanim-boaloboky ny namanao hianao, dia mahazo mihinam-boaloboka araka izay tianao sy hivoky amin'izany nefa aza misy hataonao an-tsobikinao.

25 Raha mamaky tanim-barin'ny namanao hianao, dia mahazo mioty salohim-bary amin'ny tànanao, fa tsy hijinjanao amin'ny antsy ny varin'ny namanao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0371