Ny Detoronomy

Toko faha-25

1 Raha misy fifanjihiran'olona, ka efa niseho teo anatrehan'ny mpitsara izy ireo, ary efa notsaraina, ka ny marina nafahana, ary ny meloka nohelohina,

2 raha ny kapohina no tandrify an'izay meloka, dia hasain'ny mpitsara hivalandotra amin'ny tany izy, ka hokapohina eo anatrehany, ary hatao araka ny helony ny isan'ny kapoka hamely azy. 3 Tsy atao mihoatra ny efapolo anefa ny isan'ny kapoka hasainy hamelezana azy, fa raha tohizana hatao betsaka mihoatra noho izany ny kapoka hamelezana azy, sao dia ho toy ny tsinontsinona eo imasonao ny rahalahinao. 4 Aza fehezina ny vavan'ny omby mively vary.

5 Raha misy mpirahalahy miara-monina, maty momba ny iray aminy, dia aoka ny vadin'ny maty tsy hanambady vahiny any ivelany fa ny rahalahin'ny vadiny ihany no aoka handeha hanatona azy hanambady azy, sy hitondra loloha azy.

6 Ary ny voalohan-janany lahy haterany no handova ilay rahalahy maty sy haka ny anarany, mba tsy ho faty eo amin'Israely izany anarana izany. 7 Raha tsy tian-dralehilahy ny hitondra loloha ny vadin-drahalahiny, dia aoka hanatona ny loholona eo ambavahady ravehivavy, ka hanao hoe: Tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny eo imason'Israely ny rahalahin'ny vadiko, fa tsy mety manambady sy mitondra loloha ahy izy. 8 Dia hampiantso an-dralehilahy sy hiteny aminy ny loholon'ny tanàna, ka raha mikiry izy, manao hoe: Tsy te-hanambady azy aho, 9 dia hanatona azy eo anatrehan'ny loholona ravehivavy, sy hanala ny kapa amin'ny tongony ary handrora amin'ny tavany sady hanao hoe: Toy izao no hatao amin'ny lehilahy tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny. 10 Ary ny fianakaviany dia hantsoina eo imason'Israely hoe: fianakavian'ilay afa-kapa. 11 Raha misy olona roa lahy miady ka manatona kosa ny vadin'ny anankiray hanafaka ny lahy eo an-tànan'ilay mamely azy sy maninjitra ny tànany mandray ankasarotana an'itsy mpamono,

12 dia tapaho ny tànany, aza miantra maso azy akory. 13 Aza asiana vato roa, mahery sy osa, ao an-kitaponao.

14 Aza asiana efah roa, lehibe sy kely, ao an-tranonao. 15 Fa vato tonga ohatra sy marina no tano, ary efah tonga ohatra sy marina no tano, mba ho lava andro eo amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao anao hianao. 16 Fa fahavetavetana eo imason'ny Tompo Andriamanitrao izay manao izany zavatra izany, dia izay manao ny zavatra tsy marina. 17 Tsarovy ny nafitsok'i Amaleka anao teny an-dàlana, tamin'ny nivoahanao avy tany Ejipta,

18 dia ny nifanenany taminao teny an-dàlana sy namelezany anao avy ao aoriana, dia izay rehetra efa trotraka nanaraka eo aorianao, fa hianao efa reraka sy valaka; tsy nanana tahotra an'Andriamanitra kely akory izy. 19 Ka raha avy izay hanomezan'ny Tompo Andriamanitrao fitsaharana anao, tsy hohelingelenin'ny fahavalonareo rehetra manodidina anao, any amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao anao ho lovanao mba hanananao azy, dia vonoy tsy ho ety ambanin'ny lanitra intsony ny fahatsiarovana an'i Amaleka, aza manadino izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1807