Ny Detoronomy

Toko faha-26

1 Rahefa tonga any amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao ho lovanao hianao, ka efa tompon-tany sy tafaorim-ponenana any,

2 dia angalao avokoa ny santatry ny vokatry ny tany rehetra azonao amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao anao, ka ataovy ao an-tsobika, dia mankanesa amin'ny fitoerana hofidin'ny Tompo Andriamanitrao hamponenany ny anarany. 3 Misehoa eo anatrehan'ny mpisorona izay manao raharaha amin'izany andro izany, ka lazao aminy hoe: Manambara amin'ny Tompo Andriamanitrao aho anio, fa tonga eto amin'ny tany nianianan'ny Tompo tamin'ny razantsika homena antsika. 4 Dia horaisin'ny mpisorona ny sobika eny an-tànanao, ka hapetrany eo anoloan'ny otelin'ny Tompo Andriamanitrao. 5 Ary hiteny eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrao hianao ka hanao hoe: Ny raiko dia Arameana efa saiky maty; nidina nankany Ejipta izy, nomban'olom-bitsy dia zary mpivahiny tany; tao izy no tonga firenena lehibe sy mahery ary maro. 6 Mafy ny nitondran'ny Ejipsiana antsika, fa sady nampahory antsika izy, no nampanao fanompoana mavesatra antsika. 7 Koa nitaraina tamin'ny Tompo Andriamanitry ny razantsika isika, dia nohenoin'ny Tompo ny feontsika, nojereny ny fijaliantsika, sy ny fahantrantsika ary ny fampahoriana antsika, 8 ka tànana mahery, sandry ahinjitra, fangorohoroana lehibe ary famantarana amam-pahagagana, no namoahan'ny Tompo antsika avy tany Ejipta. 9 Nitondra antsika ho amin'ity toerana ity izy, ary nanome antsika an'ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely. 10 Koa ankehitriny, ry Iaveh, inty aho mitondra ny santatry ny vokatry ny tany efa nomenao ahy. Dia hapetrakao eo anoloan'ny Tompo Andriamanitrao izany, ka hiankohoka eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrao hianao. 11 Rahefa izany dia miaraha mifaly amin'ny Levita sy ny vahiny eo aminao, noho ny soa rehetra nomen'ny Tompo Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao. 12 Rahefa tapitra voatokanao avokoa ny fahafolon-karena rehetra avy amin'ny vokatrao, amin'ny taona fahatelo, izay taona fandoavana ny fahafolon-karena ka atolotrao ny Levita mbamin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena mba hohaniny ao anatin'ny vavahadinao sy hivokisany,

13 dia lazao eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrao hoe: Efa navoakako tao an-tranoko avokoa ny zava-masina, ka nomeko ny Levita mbamin'ny vahiny, sy ny kamboty ary ny mpitondratena, araka ny didy rehetra nomenao ahy; tsy nisy nodikaiko na nohadinoiko ny didinao na dia iray aza. 14 Tsy nisy nohaniko ireo zavatra ireo tamin'ny fisaonako, na navoakako ny tranoko tamin'ny fahalotoako, na nataoko fahan-kanina raha nisy maty, fa nihaino ny feon'ny Tompo Andriamanitro aho, ary nanao araka izay rehetra nandidianao ahy. 15 Tsinjovy eny amin'ny fonenanao masina any an-danitra ka tahio Israely vahoakanao, mbamin'ny tany tondra-dronono sy tantely nomenao anay, araka ny efa nianiananao tamin'ny razanay. 16 Iaveh Andriamanitrao no mandidy anao anio, hanaraka ireo didy amam-pitsìpika ireo; koa tandremo sy araho amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ireo.

17 Nampanambara tamin'ny Tompo hianao androany, fa izy no ho Andriamanitrao, ka nametra-teny hianao fa handeha amin'ny làlany, hitandrina ny didiny sy ny lalàna amam-pitsìpiny, ary hihaino ny feony. 18 Ary Iaveh kosa efa nampanambara anao androany, fa hianao araka ny efa voalazany taminao, dia ho vahoakany manokana, mitandrina ny didiny rehetra; ary izy mametra-teny hanandratra anao ho ambonin'ny firenena rehetra nataony, na amin'ny voninahitra na amin'ny laza, na amin'ny fahalehibeazana, ka dia ho vahoaka masina ho an'ny Tompo Andriamanitrao hianao, araka ny efa voalazany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0513