Ny Detoronomy

Toko faha-30

1 Rahefa tonga izay hiharan'izao zavatra rehetra izao aminao dia ny tso-drano sy ny ozona izay nataoko teo anoloanao ary hataonao ho zavatra tokoa indray izany any amin'ny firenena handroahan'ny Tompo Andriamanitrao anao,

2 ka miverina amin'ny Tompo Andriamanitrao sy mihainò ny feony amin'ny fonao rehetra sy amin'ny fanahinao rehetra hianao sy ny taranakao, araka izao andidiako anao anio izao, 3 Iaveh Andriamanitrao kosa hampody izay babo aminao sy hamindra fo aminao. Hangoniny avy any amin'ny firenena nanelezan'ny Tompo anao indray hianao. 4 Na dia efa any amin'ny faravodilanitra aza ny voasesi-tany aminao, dia avy any no hanangonan'ny Tompo Andriamanitrao anao, any no hangalany anao, 5 ary haverin'ny Tompo Andriamanitrao amin'ny tany efa nananan'ny razanao, ka hanana izany hianao. Hanisy soa anao izy ary hahamaro anao mihoatra noho ny razanao. 6 Hoforan'ny Tompo Andriamanitrao ny fonao sy ny fon'ny taranakao, hitiavanao an'ny Tompo Andriamanitrao, amin'ny fonao rehetra sy amin'ny fanahinao rehetra mba ho velona hianao. 7 Ary hazeran'ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fahavalonao, izay nankahala sy nanenjika anao, ireny fanozonana rehetra ireny. 8 Ka dia hihaino ny feon'ny Tompo Andriamanitrao indray hianao, sy hanaraka izao didy rehetra andidiako anao anio izao, 9 ka hanototra soa anao Iaveh Andriamanitrao, amin'ny asan-tànanao, ny naloaky ny kibonao, ny teraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, fa hifaly aminao indray Iaveh manisy soa anao, toy ny nifaliany tamin'ny razanao, 10 raha mihaino ny feon'ny Tompo Andriamanitrao hianao, ka mitandrina ny didy aman-dalàna voasoratra amin'ity bokin'ny lalàna ity, raha miverina amin'ny Tompo Andriamanitrao, amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra. 11 Izao didy andidiako anao izao tsy dia hoe, ambony ho anao na ivelan'ny takatrao.

12 Tsy any an-danitra izy ka hisy hanaovanao hoe: Iza no hiakatra any an-danitra haka izany ho antsika sy hampahafantatra izany antsika mba hanarahantsika azy? 13 Tsy any an-dafin'ny ranomasina izany, ka hisy hanaovanao hoe: Iza no hampita ny ranomasina haka izany ho antsika, sy hampahafantatra izany antsika mba hanarahantsika azy? 14 Fa eo akaikinao indrindra ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, mba hanarahanao azy. 15 Indro, nataoko eo anoloanao androany ny fiainana sy ny tsara, ny fahafatesana sy ny ratsy,

16 tamin'ny nandidiako anao androany ho tia an'ny Tompo Andriamanitrao sy handeha amin'ny làlany, ary hitandrina ny didy aman-dalàny mbamin'ny fitsìpiny, mba ho velona hianao, sy hihamaro ary hambinin'ny Tompo Andriamanitrao any amin'ny tany efa hidiranao mba hanananao azy. 17 Fa raha mivily kosa ny fonao, ka tsy mihaino hianao, fa mety hotarihina hiankohoka amin'andriamani-kafa sy hanompo azy, 18 dia ambarako anareo dieny ankehitriny, fa ho ringana tokoa hianareo; tsy ho lava andro any amin'ny tany efa hidiranao hanananao azy, rahefa tafita an'i Jordany, hianao. 19 Miantso ny tany aman-danitra ho vavolombelona aminareo aho anio, fa nataoko eo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana, ny tsodrano sy ny ozona; koa fidio ary ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao, 20 amin'ny fitiavana an'ny Tompo Andriamanitrao, sy fihainoana ny feony, ary firaiketana aminy, fa izany no fiainanao sy andro lava honenanao any amin'ny tany efa nianianan'ny Tompo homena an'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba, razanao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1418