Ny Detoronomy

Toko faha-30

15 Indro, nataoko eo anoloanao androany ny fiainana sy ny tsara, ny fahafatesana sy ny ratsy,

16 tamin'ny nandidiako anao androany ho tia an'ny Tompo Andriamanitrao sy handeha amin'ny làlany, ary hitandrina ny didy aman-dalàny mbamin'ny fitsìpiny, mba ho velona hianao, sy hihamaro ary hambinin'ny Tompo Andriamanitrao any amin'ny tany efa hidiranao mba hanananao azy. 17 Fa raha mivily kosa ny fonao, ka tsy mihaino hianao, fa mety hotarihina hiankohoka amin'andriamani-kafa sy hanompo azy, 18 dia ambarako anareo dieny ankehitriny, fa ho ringana tokoa hianareo; tsy ho lava andro any amin'ny tany efa hidiranao hanananao azy, rahefa tafita an'i Jordany, hianao. 19 Miantso ny tany aman-danitra ho vavolombelona aminareo aho anio, fa nataoko eo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana, ny tsodrano sy ny ozona; koa fidio ary ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao, 20 amin'ny fitiavana an'ny Tompo Andriamanitrao, sy fihainoana ny feony, ary firaiketana aminy, fa izany no fiainanao sy andro lava honenanao any amin'ny tany efa nianianan'ny Tompo homena an'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba, razanao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1074