Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Detoronomy

Detoronomy toko 32, 3-4a,7,8,9,12,

       <3Fa hitory ny anaran'ny Tompo aho:
ka omeo voninahitra ny Andriamanitsika.
       4Ny Vatolampy, lavorary ny asany,
ara-drariny ny lalany rehetra;
fa Andriamanitra mahatoky sy tsy misy ratsy izy;
marina sy mahitsy.
       7Tsarovy ny andro taloha,
saino ny taona tamin'ny taranaka taloha,
anontanio an-drainao, fa hatorony anao,
amin'ny anti-panahy, fa halazany anao:
       8Nony nomen'ny Avo indrindra zaratany ny firenena,
nony natokotokony ny zanak'olombelona,
dia nametra ny faritanin'ny vahoaka izy;
araka ny isan'ny zanak'Israely.
       9Satria ny anjaran'ny Tompo dia ny vahoakany,
ary Jakoba no anjara lovany.
       12Iaveh irery no nitondra azy;
fa tsy nisy andriamani-kafa niaraka taminy. >