Ny Detoronomy

Toko faha-34

1 Niakatra avy eo an-tany lemak'i Moaba Moizy, nankany an-tendrombohitra Nebao, ao an-tampon'i Fasgà, tandrifin'i Jerikao.

2 Ary nasehon'ny Tompo azy avokoa ny tany rehetra dia Galaada hatrany Dana; Neftalì rehetra mbamin'ny tanin'i Efraima andrefana; 3 Ny Negeba, ny faritanin'i Jordany, ny lohasahan'i Jerikao; dia ny tanànan'ny rofia, hatrany Segora. 4 Dia hoy Iaveh taminy: Io no tany izay nianianako tamin'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba hoe: Homeko ny taranakao izany. Nataoko nahita maso azy hianao, nefa tsy hiditra eny hianao. 5 Teo no nahafatesan'i Moizy, mpanompon'ny Tompo, dia teo amin'ny tanin'i Moaba, araka ny didin'ny Tompo.

6 Ary naleviny teo an-dohasaha, amin'ny tanin'i Moaba, tandrifin'i Bet-Fogora izy. Ary tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany. 7 Efa roapolo amby zato taona Moizy no maty, nefa ny fahiratany tsy nihena, ny tanjany tsy niala taminy. 8 Nisaona an'i Moizy telopolo andro tao amin'ny tany lemak'i Moaba ny zanak'Israely ka tapitra ny andro fitomaniana tamin'ny fisaonana an'i Moizy. 9 Ary Josoe, zanak'i Nòna, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan'i Moizy tànana izy, ka nanoa azy ny zanak'Israely sy nanao araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy.

10 Tsy nisy mpaminany nitsangana teo amin'Israely intsony sahala amin'i Moizy izay fantatry ny Tompo mifanatrika,

11 na ny amin'ny famantarana amam-pahagagana nanirahan'ny Tompo azy tany Ejipta, hanaovany izany tamin'i Faraona sy ny mpanompony mbamin'ny taniny rehetra, 12 na ny amin'ny tànany mahery rehetra aman-java-mahatahotra rehetra izay vitan'i Moizy teo imason'Israely rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0869