Ny Detoronomy

Toko faha-4

1 Ary ankehitriny, ry Israely, henoy ny didy amam-pitsipika atoroko, hitandremanareo azy mba ho velona hianareo, ka hiditra sy hanana ny tany nomen'ny Tompo Andriamanitry ny razanareo anareo.

5 Efa notoroako didy amam-pitsipiko hianareo araka ny nandidian'ny Tompo ahy hitandremanareo izany any amin'ny tany idiranareo hanananareo azy. 6 Koa tandremo sy tanteraho izany, fa izany no saina amam-pahendrena ho anareo eo imason'ny firenena izay handre izany lalàna rehetra izany, ka ho vaky hoe: Vahoaka hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena lehibe io! 7 Fa iza tokoa moa no firenen-dehibe hanana andriamanitra akaiky azy, tahaka ny maha-akaikintsika an'ny Tompo Andriamanitsika isaky ny iantsoantsika azy? 8 Ary zovy no firenen-dehibe manan-didy amam-pitsipika marina, toy izao lalàna ataoko eo anoloanareo anio izao? 9 Kanefa mitandrema tena hianao, ary tandremo tsara ny fanahinao, fandrao manadino ny zavatra hitan'ny masonao, na mamela azy hiala amin'ny fonao, na dia indray andro amin'ny fiainanao aza, fa ampianaro ny zanakao aman-jafinao izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.102