Ny Detoronomy

Toko faha-5

1 Ary niantso an'Israely Moizy ka nanao taminy hoe: Henoy, ry Israely, ny didy amam-pitsipika ampandrenesiko anao anio; ianaro izany, ary araho amim-pitandremana tokoa.

2 Nanao fanekena tamintsika Iaveh Andriamanitsika, tany Horeba. 3 Tsy tamin'ny razantsika no nanaovan'ny Tompo izany fanekena izany, fa tamintsika rehetra izay eto ankehitriny izao, samy velona avokoa. 4 Niteny nifanatrika taminareo tany an-tendrombohitra Iaveh tao anatin'ny afo, 5 ary nitsangana teo anelanelan'ny Tompo sy hianareo aho tamin'izay, mba hitondra aminareo ny teniny, fa natahotra ny afo hianareo ka tsy niakatra tany an-tendrombohitra. Izao no nolazainy: 6 Izaho no Iaveh Andriamanitrao, izay nampivoaka anao avy any amin'ny tany Ejipta tamin'ny trano fanandevozana.

7 Aza manana andriamani-kafa eo anatrehako. 8 Aza manao sarin-javatra voasokitra, na izay mety ho endriky ny zavatra eny amin'ny lanitra ambony, na ety amin'ny tany ambany, na any amin'ny rano ambanin'ny tany.

9 Aza miankohoka eo anatrehany na manompo azy, fa izaho Iaveh Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro, ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka, hatramin'ny taranaka fahatelo sy fahefatra, amin'izay mankahala ahy; 10 fa mamindra fo amin'ny taranaka arivo mifandimby kosa, amin'izay tia ahy sy mitandrina ny didiko. 11 Aza manonom-poana ny anaran'ny Tompo Andriamanitrao, fa tsy havelan'ny Tompo ho afa-potsiny, izay manonom-poana ny anarany.

12 Mitandrema ny andro sabata, mba hankamasina azy, araka ny nandidian'ny Tompo Andriamanitrao anao.

13 Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny asanao rehetra. 14 Fa ny andro fahafito, dia sabata ho an'ny Tompo Andriamanitrao, ka aza manao zavatra na inona na inona hianao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny ombinao, na ny ampondranao, na ny biby fiompinao rehetra, na ny vahiny tafiditra ny vavahadinao, mba hitsahatra toa anao koa ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao. 15 Tsarovy fa efa andevo tany amin'ny tany Ejipta hianao, ary tànana mahery sy sandry ahinjitra no nitondran'ny Tompo Andriamanitrao anao nivoaka avy tany: koa izany no nandidian'ny Tompo Andriamanitrao anao hitandrina ny andro sabata. 16 Manajà ny ray aman-dreninao, araka ny nandidian'ny Tompo Andriamanitrao anao, mba ho halavaina ny andronao sy ho sambatra any amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao anao.

17 Aza mamono olona. Aza maka vadin'olona. Aza mangalatra. Aza mitsangana ho vavolombelona tsy marina hamely ny namanao.

18 Aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao. Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao, na ny taniny, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny ampondrany, na izay mety ho an'ny namanao.

19 Ireo no teny nolazain'ny Tompo tamin'ny fiangonanareo rehetra tamin'ny feo mahery, tany an-tendrombohitra, tao anatin'ny afo sy ny rahona, ary ny aizim-pito, ka tsy nampiany na inona na inona. Nosoratany tamin'ny takelaka vato roa natolony ahy ireo.

20 Nanatona ahy hianareo, rahefa nandre ny feo avy teo amin'ny aizina, raha nirehitra afo daholo ny tendrombohitra, dia ny filohan'ny fokonareo rehetra sy ny loholonareo, ka hoy hianareo:

21 Indro Iaveh Andriamanitsika efa naneho ny voninahitra amam-pahalehibeazany tamintsika, ary isika efa nandre ny feony avy tao anatin'ny afo; koa hitantsika androany Andriamanitra miteny amin'ny olombelona, ary ny olombelona dia mbola velona. 22 Koa ankehitriny nahoana no dia ho faty izahay? Fa ho levon'io afo lehibe io izahay, ary ho faty izahay, raha mbola mandre ny feon'ny Tompo Andriamanitsika indray. 23 Satria, tamin'izao nofo rehetra izao, zovy moa no efa nandre ny feon'Andriamanitra velona, niteny tao afovoan'ny afo, tahaka antsika, nefa mbola velona ihany? 24 Koa hianao re no aoka hanatona ary hihaino izay rehetra holazain'ny Tompo Andriamanitsika, dia hianao no hilaza aminay izay rehetra holazain'ny Tompo Andriamanitsika aminao, ka hohenoinay sy harahinay izany. 25 Ren'ny Tompo teo am-pitenenanareo tamiko ny teninareo, ka hoy Iaveh tamiko: Efa reko ny teny nolazain'io vahoaka io taminao, ka tsara avokoa ny voalazany.

26 Endrey, raha mba toy izany mandrakariva mantsy ny fony ka hatahotra ahy sy hitandrina ny didiko rehetra izy, ka ho sambatra mandrakizay izy sy ny taranany. 27 Mandehana lazao amin'izy ireo hoe: Miverena any an-dainareo. 28 Fa hianao kosa, mijanòna eto amiko, dia holazaiko aminao ny lalàna sy ny didy amam-pitsìpika rehetra hampianarinao azy, mba harahiny any amin'ny tany izay omeko azy ho fananany. 29 Koa mitandrema, mba hanatanteraka izay nandidian'ny Tompo Andriamanitrareo anareo; aza mivily na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia; 30 fa amin'ny zavatra rehetra mizora amin'ny làlana nandidian'ny Tompo Andriamanitrareo anareo, mba ho velona hianareo, ka ho sambatra sy ho lava andro any amin'ny tany hanananareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1159