Ny Detoronomy

Toko faha-6

1 Izao no lalàna sy didy amam-pitsìpika nasain'ny Tompo Andriamanitrareo hampianarina anareo, mba harahinareo any amin'ny tany halehanareo mba hakanareo azy ho fanananareo;

2 mba hatahoranao an'ny Tompo Andriamanitrao, hianao sy ny zanakao ary ny zanaky ny zanakao, ka hitandrina ny didy aman-dalàny rehetra nandidiako anao hianao, amin'ny andro rehetra hiainanao, ka hohalavaina ny andronao. 3 Koa henoy izany, ry Israely, ary mitandrema ny mba hanatanteraka izany, mba ho sambatra sy hitombo isa be hianao, any amin'ny tany tondra-dronono aman-tantely; araka ny nolazain'ny Tompo Andriamanitry ny razanao anao. 4 Mihainoa, ry Israely: Iaveh Andriamanitsika, dia izy ihany no Iaveh.

5 Tiàva an'ny Tompo Andriamanitrao, amin'ny fonao rehetra sy amin'ny fanahinao rehetra. 6 Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao. 7 Alatsaho ao an-tsain'ny zanakao izany; ary resaho, na ao an-tranonao hianao, na eny amin'ny dia alehanao, na mandry hianao, na hiarina. 8 Afehezo amin'ny tànanao izany, mba ho famantarana ho anao, ary ataovy toy ny fehin-kandrina eo anelanelan'ny masonao. 9 Soraty eo amin'ny tolàm-baravaranao izy, sy eo amin'ny vavahadinao. 10 Raha avy izay hahatafidiran'ny Tompo Andriamanitrao anao any amin'ny tany nianianany tamin'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba razanao, homena anao, tanàna sady soa no lehibe, tsy naorinao;

11 trano feno zava-tsoa isan-karazany, tsy nofenoinao; dobo famorian-drano, tsy nolavahanao, voaloboka amam-pototr'oliva, tsy nambolenao, dia hihinana sy hivoky hianao; 12 ka tandremo fandrao manadino an'ny Tompo izay nampivoaka anao avy tany amin'ny tany Ejipta, tany amin'ny trano fanandevozana. 13 Matahora an'ny Tompo Andriamanitrao, manompoa azy, ary aoka ny anarany no hianiananao. 14 Aza manaraka andriamani-kafa, amin'izay andriamanitry ny firenena hanodidina anareo. 15 Fa Iaveh Andriamanitrao, izay eo afovoanao, dia Andriamanitra saro-piaro, ka dia hirehetan'ny fahatezeran'ny Tompo Andriamanitrao hianao, sy fongorany eto ambonin'ny tany. 16 Aza maka fanahy an'ny Tompo Andriamanitrareo, tahaka ny nakanareo fanahy azy tany Masah.

17 Tandremo tsara ny didin'ny Tompo Andriamanitrareo, ny lalàna amam-pitsìpika nandidiany anareo. 18 Ny mahitsy sy tsara eo imason'ny Tompo no ataovy, mba ho sambatra hianao sy hiditra ao amin'ny tany soa izay nampanantenain'ny Tompo ny razanao tamim-pianianana mba hanananao azy, 19 rehefa voaroakany eo anoloanao, araka ny voalazan'ny Tompo, ny fahavalonao. 20 Raha manontany anao ny zanakao, indray andro any, manao hoe: Ahoana moa ny amin'ireo didy sy lalàna amam-pitsìpika nandidian'ny Tompo Andriamanitsika anareo ireo?

21 dia lazao amin'ny zanakao hoe: Andevon'i Faraona tany Ejipta izahay; ary tànana mahery no nitondran'ny Tompo anay nivoaka avy tany Ejipta; 22 fahagagana amam-pamantarana lehibe sy mandoza no nataon'ny Tompo, namelezany an'i Ejipta sy Faraona mbamin'ny ankohonany rehetra teo imasonay; 23 ka izy no nampivoaka anay avy tany, dia ny mba hitondrany anay amin'ny nampanantenainy ny razantsika tamim-pianianana, 24 ary Iaveh nandidy antsika hanaraka izany didy rehetra izany, sy hatahotra an'ny Tompo Andriamanitsika mba ho sambatra mandrakariva isika, sy hitahirizany antsika ho velona, araka izao ankehitriny izao. 25 Ho fahamarinana ho antsika izany, raha mitandrina hanaraka ireo didy rehetra ireo isika eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitsika, araka ny nandidiany antsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0384