Ny Detoronomy

Toko faha-8

1 Mitandrema tsara hanaraka ny didy rehetra nandidiako anareo androany, mba ho velona hianareo, sy hihamaro ary hiditra haka ho fanananareo ny tany izay nianianan'ny Tompo homena ny razanareo.

2 Tsarovy izany làlana rehetra izay nasain'ny Tompo Andriamanitrao nandehananao, tany an'efitra, nandritra ny efapolo taona izao, mba hampanetry tena anao, sy hitsapa ny tenanao, dia hahalalany izay hevitrao ao am-ponao, na hitandrina ny didiny hianao, na tsia. 3 Nampietry tena anao izy sy namela anao ho noana, ary namahana anao tamin'ny mana, izay tsy fantatrao, na fantatry ny razanao, mba hampahalalàny anao fa tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona, fa izay rehetra mivoaka avy amin'ny vavan'Andriamanitra no iveloman'ny olona. 4 Ny fitafiana tsy nihatonta teny aminao, ny tongotrao tsy nivonto, mandritra izao efapolo taona izao, 5 mba hiekenao ao am-ponao, fa toy ny ampianaran'ny olombelona ny zanany, no ampianaran'ny Tompo Andriamanitrao anao, 6 ary mba hitandremanao ny didin'ny Tompo Andriamanitrao amim-panarahana ny làlany, sy amim-pahatahorana azy. 7 Fa efa hampidirin'ny Tompo Andriamanitrao, any amin'ny tany soa hianao, dia tany misy ranon-driaka aman-doharano, sy rano lalina miboiboika avy amin'ny lohasaha aman-tendrombohitra;

8 tany vokatra varimbazaha, orja, voaloboka, aviavy, ampongabendanitra; 9 tany be oliva sy diloilo aman-tantely; tany hihinanana mofo amam-panaranam-po sy tsy hanananao zava-mahory; ny vato amin'izany tany izany dia vy ary ny tandrombohitra ihadiam-barahina. 10 Hihinana hianao dia ho voky, ary hisaotra an'ny Tompo Andriamanitrao noho ny tany soa nomeny anao. 11 Tandremo fandrao manadino an'ny Tompo Andriamanitrao hianao, ka manao tsirambina ny fitandremana ny didiny sy ny fitsìpika aman-dalàny izay andidiako anao anio, 12 fandrao rahefa mihinana hianao, ka voky, sy manao trano, ka monina an-trano soa, 13 ary mahita ny omby aman'ondrinao mihamaro, sy ny volafotsy amam-bolamena mitombo, ary ny fanananao rehetra mitombo, 14 dia hiavonavona ny fonao, ka hohadinoinao Iaveh Andriamanitrao, izay nampivoaka anao avy tany amin'ny tany Ejipta, tamin'ny trano fanandevozana, 15 izay nitondra anao tany amin'ity efitra lehibe sy mahatahotra misy bibilava mivaivay sy maingoka, amin'ny fitoerana ngàzana sy tsy misy rano; izay nampiboiboika rano ho anao, avy amin'ny vatolampy mafy indrindra, 16 izay nanome mana hohaninao tany an'efitra, dia zavatra tsy fantatry ny razanao akory, mba hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao, ary hanisy soa anao any aoriana, 17 fandrao hianao hanao anakampo hoe: Ny heriko aman-tanjaky ny tànako no nahavoriako izao harena izao. 18 Tsarovy Iaveh Andriamanitrao, fa izy no manome hery hamorianao izany, mba hahatanteraka ny fanekeny, izay nianianany tamin'ny razanao, araka izao ankehitriny izao. 19 Raha manadino an'ny Tompo Andriamanitrao hianao, ka tonga andriamani-kafa no harahinao sy hotompoinao ary eo anoloany hianao no hiankohoka, dia milaza marimarina aminareo aho izao, fa ho faty tokoa hianareo. 20 Tahaka ny firenena aringan'ny Tompo eo anoloanareo, dia ho ringana koa hianareo, satria tsy mihaino ny feon'ny Tompo Andriamanitratreo hianareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1068