Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Efeziana toko 1, 3-6

       <3Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesoa-Kristy Tompontsika, izay nitso-drano antsika tao amin'ny Kristy, amin'ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra, 4sy nifidy antsika tao aminy talohan'ny nahariana izao tontolo izao mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika, 5ary nanendry antsika rahateo tamim-pitiavana araka ny sitraky ny fony, mba ho zanaka hatsangany amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy isika; 6nampamirapiratra ny voninahitry ny fahasoavany izany, dia ny fahasoavany nanasoavany antsika ao amin'ilay malalany. >