Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Toko faha-5

21 Ary mahaiza mifanoa amim-pahatahorana ny Kristy. 22 Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, toy ny anekena ny Tompo;

23 fa ny lahy no lohan'ny vavy, tahaka ny Kristy no lohan'ny Eglizy izay vatany sy manana azy ho Mpamonjy. 24 Koa tahaka ny aneken'ny Eglizy ny Kristy no tsy maintsy aneken'ny vehivavy ny vadiny koa amin'ny zavatra rehetra. 25 Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, toy ny nitiavan'ny Kristy ny Eglizy, sy nahafoizana tena ho azy, 26 mba hanamasina azy rahefa nodioviny tamin'ny fanasana amin'ny rano sy ny teny izy, 27 ka hanolotra azy ho an'ny tenany ho Eglizy be voninahitra, tsy misy panda, na ketrona, na zavatra toy izany, fa masina tsy manan-tsiny amam-pondro 28 Toy izany koa no tsy maintsy hitiavan'ny lehilahy ny vadiny, izay tenany ihany; koa izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. 29 Ny olona tsy misy mankahala ny nofony, fa mamelona sy miahy azy, toy ny ataon'ny Kristy amin'ny Eglizy, 30 satria rantsam-batany, avy amin'ny nofo aman-taolany, isika. 31 Noho izany, handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin'ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roroa. 32 Misy zava-miafina lehibe amin'io, dia mankamin'izy Kristy sy ny Eglizy no lazaiko. 33 Fa izao: samia hianareo lehilahy tia ny vadiny tahaka ny tenany; ary aoka ny vehivavy hanaja ny vadiny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0797