Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-17

1 Nataon'Andriamanitra tamin'ny tany ny olombelona, ary asainy hiverina amin'ny tany izy.

2 Andro voaisa sy fotoa-manam-petra no naraikiny ho an'ny olombelona, ary nomeny fahefana amin'ny zavatra rehetra ety an-tany izy.

3 Nomeny hery araka ny toetrany izy, ary nataony mitovy endrika aminy.

4 Nasiany fahatahorana azy ny nofo rehetra, ary nomeny fanjakana amin'ny biby amam-borona izy.

5 Ny olombelona dia nomeny fahalalana, lela, maso, sofina, ary fo hihevitra.

6 Nofenoiny fahaizana amam-pahalalana izy; ary nampahalalainy ny tsara sy ny ratsy.

7 Nataony tao am-pon'izy ireo ny masony, hanehoany amin'izy ireo, ny halehiben'ny asany;

8 mba hiderany ny anarany masina, amin'ny fitoriany ny zava-mahagaga amin'ny asany.

9 Nomeny azy ireo koa ny fahaizana, ary nampanana azy ny lalan'ny fiainana izy.

10 Nanao fanekena mandrakizay tamin'izy ireo izy, ary nanambara ny didiny taminy.

11 Ny mason'izy ireo nibanjina ny famirapiratan'ny voninahiny; ny sofiny nandre ny fikarantsan'ny feony mahatalanjona.

12 Ary izao no nolazainy taminy: Mitandrema tena hianareo amin'ny tsy fahamarinana rehetra; dia samy nomeny didy ny amin'ny namany avy izy ireo.

13 Eo anatrehany mandrakariva ny lalan'izy ireo; tsy misy mahafina izany tsy ho hitany.

14 Ny firenena tsirairay, samy nanendreny mpitondra avy, fa Israely kosa dia anjaran'ny Tompo.

15 Eo anatrehany toy ny masoandro ny asan'ireo rehetra; ary todihiny maso lalandava ny lalany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1531