Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-48

1 Manaraka izany, nitsangana Elia, mpaminany hoatra ny afo, ary nirehitra hoatra ny fanilo ny teniny.

2 Niantso mosary hamely an'Israely izy, ary nahavitsy isa azy, noho ny zotom-pony.

3 Nanakatona ny lanitra tamin'ny tenin'ny Tompo izy, ary nampilatsaka afo avy any intelo toy izany ihany koa.

4 Voninahitra lehibe manao ahoana, ry Elia, no azonao tamin'ny fahagagana nataonao ary zovy no afaka hihambo ho mitovy aminao?

9 hianao nofaohina tamin'ny tadio afo, sy tamin-kalesy tarihin-tsoavaly afo;

10 hianao voatendry ao amin'ny teny mafy an-tsoratra ho amin'ny fotoana ho avy ho tsy maintsy hampitovy ny hatezerana alohan'ny hirehetany, hitarika ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka indray, ary hanangana ny firenen'Israely indray.

11 Sambatra izay hahita anao, ka ho voahaingon'ny fitiavana an'Andriamanitra! Fa izahay koa dia ho velona marina tokoa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0619