Bokin'ny Eklesiastika
Toko faha-5
1 Aza miankina amin'izay harenao, ary aza manao hoe: Manan-karena ampy aho!2 Aza manaraka ny fitsiriritanao sy ny herinao, mba hanafa-po fanirian'ny fonao;
3 ary aza manao hoe: Zovy moa no Tompoko? Fa tsy maintsy hosazin'ny Tompo hianao.
4 Aza manao hoe: Efa nanota, ka inona izao no nanjo ahy? Fa mahari-po ny Tompo.
5 Aza dia afak'ahiahy ny amin'ny fanonerana, ka manampy ota ny ota.
6 Aza manao hoe: Be famindram-po Andriamanitra; ka hamela ny heloka maro be. Fa samy ao aminy ihany ny indrafo sy ny hatezerana; ary mianjera amin'ny mpanota ny fahavinirany.
7 Aza mitaredretra ny hibebaka amin'ny Tompo, ary aza mangatak'andro isan'andro izao, fa hipoaka tampoka ny hatezeran'ny Tompo, ka ho levona hianao amin'ny andro hamaliany.
8 Aza miankina amin'izay harena azo tsy an-drariny, fa tsy hahefa na inona na inona ireny amin'ny andro mahory.