Eksaody

Toko voalohany

1 Izao no anaran'ny zanak'Israely tonga tany Ejipta; tonga niaraka tamin'i Jakoba izy ireo samy nombam-pianakaviany avy.

2 Robena, Simeona, Livì, Jodà. 3 Isakara, Zabolona, Benjamina. 4 Dana, Neftalì, Gada ary Asera. 5 Fito-polo izy rehetra terak'i Jakoba; ary Josefa efa tany Ejipta. 6 Ary maty Josefa sy ny rahalahiny rehetra mbamin'ireo taranaka rehetra ireo. 7 Maro anaka sy nitombo fatratra ny zanak'Israely, ka tonga maro be sy nahery tokoa ary nanenika ny tany. 8 Fa nisy kosa mpanjaka vaovao, tsy nahalala an'i Josefa, nanjaka tamin'i Ejipta.

9 Hoy izy tamin'ny vahoakany: Tonga vahoaka be sy mahery noho isika ireto, ny zanak'Israely. 10 Ka handeha ataovy izay hiarovantsika tena aminy, fandrao mitombo izy; ary raha misy ady tonga tampoka, dia hikambana amin'ny fahavalo hamely antsika izy, dia hivoaka hiala amin'ny tany. 11 Ka dia nanendry mpifehy hampanao fanompoana an'Israely izy, mba hamoritra azy amin'ny asa mafy; izany no nahavitana tanàna, natao fitehirizan-javatra ho an'i Faraona dia Pitaoma sy Ramsesa. 12 Kanjo, araka ny namoretana azy no vao mainka nitomboany sy nihamaroany kosa, ka tonga nankahalain'ny olona ny zanak'Israely. 13 Nampiasain'ny Ejipsiana an-tery vozona ny zanak'Israely, 14 nampangidiny ny fiainan'izy ireo tamin'ny asa mafy dia mafy, dia tamin'ny feta, biriky, asa an-tsaha isan-karazany rehetra, izay asa nanereny azy tamin-kalozana. 15 Ary ny mpanjakan'i Ejipta niteny tamin'ireo mpampivelona ny Hebrio, atao hoe Seforà ny iray, ary Foà ny iray,

16 ka nanao tamin'ireo hoe: Raha mampivelona ny vehivavy Hebrio hianareo ka hitanareo eo amin'ny seza roa sosona izy, raha lahy, dia vonoy, fa raha vavy kosa, dia azo avela ho velona. 17 Natahotra an'Andriamanitra anefa ireo mpampivelona, ka tsy narahiny ny tenin'ny mpanjakan'i Ejipta, fa navelany ho velona ihany ny zazalahy. 18 Dia nampiantsoin'ny mpanjakan'i Ejipta ny mpampivelona ka nataony hoe: Nahoana hianareo no nanao toy izany ka navelanareo ho velona ny zazalahy? 19 Fa hoy ny navalin'ny mpampivelona tamin'i Faraona: Tsy mba tahaka ny Ejipsiana anie ny vehivavy Hebrio: matanjaka izy, ka mbola tsy tonga akory ny mpampivelona dia teraka izy. 20 Koa ny mpampivelona nasian'Andriamanitra soa, ary ny vahoaka nihamaro sy nihanahery fatratra.

21 Nambinin'Andriamanitra ny fianakavian'ny mpampivelona noho ny fahatahorany an'Andriamanitra. 22 Ary Faraona nandidy ny vahoaka rehetra, nanao hoe: Atsipazo any anaty ony ny zazalahy teraka rehetra fa ny zazavavy avelao ho velona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0829