Eksaody

Toko faha-10

1 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Mankanesa any amin'i Faraona, fa efa nahadonto ny fony sy ny fon'ny mpanompony aho, hanaovako ny famantarako eo afovoany,

2 mba hotantarainao amin'ny zanakao aman-jafinao ny zava-dehibe nataoko tany Ejipta, sy ny famantarana vitako teo amin'izy ireo, ka ho fantatrareo fa Iaveh aho. 3 Dia nankany amin'i Faraona Moizy sy Aarona ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo, Andriamanitry ny Hebrio: Mandra-pahoviana no handavanao tsy hietry eo anatrehako? Alefaso ny vahoakako hanompo ahy. 4 Fa raha mandà tsy handefa ny vahoakako hianao, indro aho handefa valala hanenika ny taninao rehetra, rahampitso. 5 Ho rakotra azy ny tany, tsy ho hita hirangirana ny tany; holevoniny avokoa ny sisa tsy voa izay navelan'ny havandra ho anareo; hohaniny daholo ny hazo maniry any an-tsaha, 6 ho hipoka azy avokoa ny tranonao sy ny tranom-panomponao, ary ny an'ny Ejipsiana rehetra. Tsy mbola nisy nahita loza toy izany na ny rainao na ny raibenao, hatrizay nisiany tety ambonin'ny tany, ka mandrak'ankehitriny. Dia lasa Moizy, ka niala teo amin'i Faraona. 7 Ka hoy ny mpanompon'i Faraona taminy: Mandra-pahoviana no ho fandrika ho antsika ralehilahy iny? Alefaso handeha ireo olona ireo, hanompoany an'ny Tompo Andriamaniny. Tsy mbola hitanao ve fa efa ho levona ity Ejipta?

8 Dia nasaina niverina ho eo amin'i Faraona Moizy sy Aarona, ka hoy izy taminy: Mandehana àry, manompoa an'ny Tompo Andriamanitrareo. Iza avy moa no tsy maintsy mankany? 9 Ary hoy ny navalin'i Moizy: Hankany avokoa izahay omban'ny ankizy sy ny antidahy, ny zanakay lahy aman-janakay vavy, ny ondry sy ny ombinay, fa fety fankalazana an'ny Tompo izany ho anay. 10 Fa hoy Faraona tamin'izy ireo: Homba anareo anie Iaveh, araka ny hamelako anareo handeha, dia hianareo sy ny zanakareo. Tandremo fa manan-kevi-dratsy hianareo! 11 Tsia, hianareo lehilahy no mandehana ka manompoa an'ny Tompo, fa izany ihany no angatahinareo. Dia noroahina hiala teo anatrehan'i Faraona izy ireo. 12 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Ahinjiro eo ambonin'ny tany Ejipta ny tànanao ny amin'ny valala; aoka hiakarany ny tany Ejipta; aoka handevona ny ahitra rehetra amin'ny tany izy, izay sisan-kavandra rehetra.

13 Dia nahinjitr'i Moizy teo ambonin'ny tany Ejipta ny tehiny, ka nandefa rivotra avy any atsinanana Iaveh hifofofofo amin'ny tany iny tontolo andro iny, sy iny tontolo alina iny. Nony maraina, indro tongan'ny rivotra avy any atsinanana ny valala. 14 Niakatra amin'ny tany Ejipta manontolo. Loza ny habetsahany, fa tsy mbola nisy izay toy izany, ary tsy hisy intsony koa ny toy izany. 15 Rakotra azy ny tany rehetra, maizina ny tany azon'ireny. Levona avokoa ny ahitra tamin'ny tany, mbamin'ny voan'ny hazo, izay sisan-kavandra rehetra; tsy nisy niangana ny zava-maitso tamin'ny hazo sy tamin'ny ahitra any an-tsaha eran'ny tany Ejipta tontolo. 16 Koa nampanalain'i Faraona faingana Moizy sy Aarona nilazany hoe: Efa nanota tamin'ny Tompo Andriamanitrareo sy taminareo aho.

17 Nefa mbola avelao re ny fahotako, fa ity indray mandeha ity ihany. Mangataha amin'ny Tompo Andriamanitrareo mba hanafahany ahy ahay, amin'ity loza mahafaty izy. 18 Niala avy ao amin'i Faraona Moizy, dia nangataka tamin'ny Tompo, 19 ka rivotra avy any andrefana kosa indray no nampifofofofoin'ny Tompo mafy ka nipaoka ny valala, sy namarina azy amin'ny ranomasina Mena; ary tsy nisy tafajanona ny valala, na dia tapikany iray aza, tany Ejipta tontolo. 20 Nohamafisin'ny Tompo anefa ny fon'i Faraona ka tsy nalefan'i Faraona handeha ny zanak'Israely. 21 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tànanao, hisian'ny aizim-pito amin'ny tany Ejipta, sady aizina azo tsapain-tànana.

22 Dia nahinjitr'i Moizy nanandrify ny lanitra ny tànany, ka nisy aizim-pito ny tany Ejipta tontolo, nandritra ny hateloana. 23 Tsy nifankahita izy ireo ary tsy nisy niainga niala tamin'ny toerana nisy azy nandritra ny hateloana; fa ny zanak'Israely kosa nahazo mazava teo amin'izay toerana nonenany. 24 Koa nampaka an'i Moizy Faraona nilazany hoe: Mandehana hianareo, manompoa an'ny Tompo, ka ny ondry sy ny ombinareo ihany no hijanona; fa na dia ny zanakareo madinika aza mahazo mandeha miaraka aminareo koa.

25 Fa hoy Moizy: Tsy maintsy atolotrao eo an-tànanay izay hataonay sorona sy sorona dorana amin'ny Tompo Andriamanitray. 26 Ary ny biby fiompinay hiaraka aminay koa, fa tsy misy havela na dia kitrony iray aza; satria amin'ireo no hangalanay ho enti-manompo an'ny Tompo Andriamanitray; ary na dia izahay aza dia mbola tsy mahalala akory izay tokony hoentinay manompo an'ny Tompo, raha tsy efa tonga any. 27 Nohamafisin'ny Tompo anefa ny fon'i Faraona, ka tsy nety nandefa azy ireo Faraona. 28 Fa hoy Faraona tamin'i Moizy: Mialà amiko eto. Ary tandremo fandrao mitranga aty anatrehako aty intsony, fa izay andro hitranganao aty anatrehako dia ho faty hianao. 29 Voalazanao, hoy Moizy, tsy hitranga aty anatrehanao intsony tokoa aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0931