Eksaody

Toko faha-12

37 Niala tao Ramsesa ny zanak'Israely dia nankany Sokota; sahabo ho enina hetsy izy no olona mandeha tongotra afa-tsy ny ankizy.

38 Nisy koa olona be dia be, samihafa karazana, niara-niakatra taminy, mbamin'ny andian'ondry aman'omby maro be. 39 Nohandrahoiny nataony mofo fisaka tsy voaisy lalivay ny koba nentiny avy any Ejipta, fa tsy voaisy lalivay, satria noroahina izy tany Ejipta ka tsy nahazo niatoato na naka vatsy hoentiny akory. 40 Telo-polo sy efa-jato taona no nitoeran'ny zanak'Israely tany Ejipta;

41 ary rahefa afaka ny telo-polo sy efa-jato taona, iny andro iny indrindra, dia nivoaka niala tamin'ny tany Ejipta ny tafik'Iaveh rehetra. 42 Alina niaretan-tory ho an'ny Tompo ilay alina namoahany azy tamin'ny tany Ejipta, ka izany alina izany dia ho alina fiaretan-tory hankalazana an'ny Tompo, ho an'ny zanak'Israely rehetra isan-taranany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0172