Eksaody

Toko faha-15

1 Tamin'izany Moizy sy ny zanak'Israely nanao izao hira izao tamin'ny Tompo. Hoy izy: Hihira ho an'ny Tompo aho, fa efa naneho ny voninahiny izy; Nariany any an-dranomasina ny soavaly amam-pitaingina azy.

2 Iaveh no heriko sy fototry ny tonon-kirako, Izy no namonjy ahy. Izy no Andriamanitro, ka hankalazaiko, Sady Andriamanitry ny raiko, ka hoderaiko.

3 Mpiady mahery Iaveh, Ary Iaveh no anarany.

4 Ny kalesy aman-tafik'i Faraona navariny an-dranomasina; Ny kapiteny voafantina natelin'ny ranomasina Mena;

5 Nosaforan'ny rano ireny, Nilentika amin'ny farany ambany toy ny vato izy ireo.

6 Tompo o! nigagana noho ny heriny ny tànanao havanana, Tompo o! nanorotoro ny fahavalo ny tànanao havanana.

7 Ny fiandriananao mihoa-pampana, No andriganana ny fahavalonao; Fa mampirehitra ny hatezeranao hianao, Dia levona toy ny mololo ireny.

8 Noho ny fofon'ain'ny vavoronao, Niangona niavosa ny rano, Niantsavovona ny onjan-drano; Raikitra nandry tao anaty mason-dranomasina ny alon-drano.

9 Hoy ny fahavalo: Hanenjika, ka hahatratra, Dia hizara babo aho, Ho afa-diana aho amin'ny valy fatiko. Hotsoahako ny sabatra dia haringan'ny tànako ireny.

10 Kanjo vao notsofin'ny fofon'ainao dia safotry ny rano izy, Ka nilentika toy ny firaka anatin'ny ranomasim-be.

11 Iza moa no toa anao, amin'ireo andriamanitra, ry Tompo o! Iza moa no toa anao izay mendrika indrindra noho ny fahamasinana, Izay atahorana, na eo am-piderana anao aza, mpanao fahagagana?

12 Naninjitra ny tananao havanana hianao, dia nitelina an'ireny ny tany.

13 Ny fahasoavanao no hitondranao ity vahoaka navotanao ity; Ny fahefanao no hitarihanao azy ho any amin'ny fonenanao masina.

14 Vao nandre izany ny firenena dia nangovitra; Raiki-tahotra ny Filistìna;

15 Nivadi-po ambony ihany ireo andrian'i Edoma; Tera-kovitra ny maherin'i Moaba; Niraviravy tanana avokoa ny mponina any Kanaana;

16 Ho resin-tahotra sy zoim-pahoriana izy ireo. Noho ny herin-tsandrinao, hanjary toa vato tsy mahahetsika izy ireo. Mandra-pandalon'ny vahoakanao, ry Tompo o, Mandra-pandalon'ny vahoaka izay navotanao.

17 Hitondra sy hamponina azy hianao Eo amin'ny tendrombohitry ny lovanao, Dia eo amin'ilay toerana nataonao ho fonenanao, ry Tompo o, Eo amin'ny fitoerana masina namboarin'ny tananao, ry Tompo o!

18 Hanjaka mandrakizay doria Iaveh!

19 Fa ny soavalin'i Faraona Sy ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaliny dia tafiditra ny ranomasina; Ka nosaforan'ny Tompo Ny ranon'ny ranomasina izy ireo, Ary ny zanak'Israely kosa nandia Tany maina teo afovoan'ny ranomasina.

20 Nandray langoroany tapaka Maria, mpaminany vavy, anabavin'i Aarona, ary nitondra langoroany nanaraka azy koa ny vehivavy rehetra, dia nandihy.

21 Ka izao no navalin'i Maria ny zanak'Isarely: Mihira ho an'ny Tompo fa efa naneho ny voninahiny izy. Navariny any an-dranomasina ny soavaly amam-pitaingina azy. 22 Dia nasain'i Moizy niainga avy ao amin'ny ranomasina Mena Israely. Nandroso nankany amin'ny efitra Sora, ary hateloana izy nandeha tsy nahita rano tamin'io efitra io.

23 Nony tonga tao Mara izy ireo tsy nahasotro ny rano tao Marà fa nangidy ny rano, ka izany no niantsoana io fitoerana io hoe Marà. 24 Nimonomonona tamin'i Moizy ny vahoaka, nanao hoe: Inona no hosotroinay. 25 Moizy nitaraina tamin'ny Tompo, ka notoroan'ny Tompo hazo izy, dia natsipiny tao anaty rano io, dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan'ny Tompo ny fitsipika aman-dalàna ny vahoaka sy nizahany toetra azy. 26 Hoy izy: Raha mihaino ny feon'ny Tompo Andriamanitrao hianao, raha manao izay mahitsy eo anatrehany, raha mampandry sofina amin'ny didiny ary mitandrina ny lalàny rehetra dia tsy hisy hameliko anao ireny aretina nafitsoko ny Ejipsiana ireny, fa Iaveh manasitrana anao aho. 27 Dia tonga tao elima izy ireo, izay nisy loharano roa ambin'ny folo sy foto-palma fito-polo, ka nitoby teo akaikin'ny rano izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0502