Eksaody

Toko faha-16

1 Niala tao Elima izy ireo ary ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra dia tonga tany an'efitra Sina, anelanelan'i Elima sy Sinaia tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana faharoa, taorian'ny nialany tany amin'ny tany Ejipta.

2 Nimonomonona tamin'i Moizy sy Aarona tao an'efitra ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra. 3 Hoy ny zanak'Israely tamin'izy ireo hoe: Inay anie izahay mba matin'ny tànan'ny Tompo tany an-tany Ejipta, raha ilay nipetraka teo anelanelan'ny vilany feno hena sy nihinana mofo mandra-pahavoky iny izahay; fa izao kosa nentinareo aty an'efitra izahay mba hahafaty mosary izao vahoaka be izao. 4 Dia hoy Iaveh tamin'i Moizy: Indro aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo. Hivoaka ny olona ka isan'andro dia hanangona izay sahaza hohaniny amin'ny indray andro, mba hizahako toetra azy, na handeha araka ny lalàko izy ireo na tsia.

5 Amin'ny andro fahenina, homaniny izay efa nangoniny, ka hisy indroa toraky ny fanangony isan'andro. 6 Koa hoy Moizy sy Aarona tamin'ny zanak'Israely rehetra: Ho fantatrareo anio hariva, fa Iaveh no namoaka anareo tany Ejipta,

7 ary ho hitanareo raha maraina ny voninahitry ny Tompo, satria reny ny fimonomononanareo tamin'ny Tompo, fa izahay moa no inona no izahay no imonomononanareo? 8 Hoy koa Moizy: Ho hitanareo izany amin'ny hanomezan'ny Tompo anareo hena hohanina anio hariva, ary mofo hahavoky raha maraina; satria ren'ny Tompo ny nimonomononanareo taminy. Fa ny aminay izahay moa no inona? tsy izahay no iharanan'ny fimonomononanareo fa Iaveh ihany. 9 Ary hoy Moizy tamin'i Aarona: Lazao amin'ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra hoe: Manatòna eo anatrehan'ny Tompo hianareo, fa efa reny ny fimonomononanareo.

10 Mbola miteny amin'ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra eo Aarona, no nitodika ny efitra ireo, ka indro niseho teo amin'ny rahona ny voninahitry ny Tompo. 11 Dia hoy Iaveh tamin'i Moizy: 12 Reko ny fimonomononan'ny zanak'Israely, ka lazao azy ireo hoe: Amin'ny àty takariva hianareo dia hihinan-kena; ary raha maraina koa dia hivoky mofo, ka ho fantatrareo fa izaho no Iaveh Andriamanitrareo. 13 Nony hariva indreny nisy papelika niakatra nandrakotra ny toby; maraina indray, nisy ando matevina nanodidina ny toby.

14 Vao levona ny ando, dia indro hita mandrakotra ny efitra zava-madinika mandrotsirotsy madinidinika toy ny fanala eo amin'ny tany. 15 Nahita ireny ny zanak'Israely dia nifanontany hoe: Inona itony? satria tsy fantany. Hoy Moizy tamin'izy ireo: Itony no mofo omen'ny Tompo ho fihinanareo. 16 Ary izao no didin'ny Tompo: Samia hianareo manangona izay sahaza hohaniny avy, eran'ny gomora, isan'olona, araka ny isan'ny olona; samia maka ho an'izay ao an-dainy avy. 17 Dia nataon'ny zanak'Israely izany; samy nanangona izy, ny an'ny sanany be, ny an'ny sasany kely.

18 Rahefa izay dia nafatra tamin'ny gomora, ka ny nahatonga be tsy nanana ambiny, ny nahangona kely tsy latsa-patra, fa samy izay sahaza ho haniny avy ihany no voavoriny. 19 Nilazan'i Moizy izy ireo nataony hoe: Aza misy mamela ho tra-maraina. 20 Nefa tsy nihaino an'i Moizy izy fa nisy namela ho tra-maraina, ka sady niloak'olitra izany no maimbo. Tezitra tamin'izy ireo Moizy. 21 Isa-maraina izy ireo no nanangona ny mana, samy araka izay fihinany avy; fa rehefa mafana ny andro, dia levona niempo. 22 Tamin'ny andro fahenina nanangona indroa toraky ny fihinany izy ireo, roa gomora isan'olona. Nanatona an'i Moizy ny filohan'ny vahoaka rehetra nanambara izany taminy ka nilazany hoe:

23 Izany no nasain'ny Tompo hatao, andro fitsaharana rahampitso, andro sabata, voatokana ho an'ny Tompo; ka endaso amin'ny lafaoro izay hendasinareo, andrahoy izay handrahoinareo, ary tahirizo ny sisa rehetra, avelao ho ampitso maraina. 24 Dia navelan'izy ireo notahiriziny ho tra-maraina izay sisa, araka ny tenin'i Moizy, nefa tsy maimbo na niloak'olitra. 25 Ary hoy Moizy: Hano anio izay, fa andro sabata fankalazana an'ny Tompo, ka anio hianareo tsy hahita eny an-tsaha. 26 Amin'ny andro enina no hakanareo izany, fa amin'ny andro fahafito izay sabata dia tsy hisy. 27 Tamin'ny andro fahafito nivoaka haka ihany ny sasany tamin'ny vahoaka saingy tsy nahita.

28 Ka hoy Iaveh tamin'i Moizy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko? 29 Jereo ange: noho Iaveh nanome anareo ny sabata, dia omeny mofo ampy indroa andro hianareo, amin'ny andro fahenina. Koa samia mitoetra eo amin'ny fitoerany hianareo, fa aza misy mivoaka hiala amin'ny toerana misy azy amin'ny andro fahafito. 30 Ka dia nitsahatra ny olona tamin'ny andro fahafito. 31 Mana no nataon'ny taranak'Israely anaran'io zava-pihinana io; tahaka ny voan-koriandra izy, ary fotsy, ary toy ny mofo misy tantely ny tsirony.

32 Hoy Moizy: Izao no didin'ny Tompo: Fenoy izany ny gomora iray, ka tehirizo ho an'ny taranakareo, mba hahitany ny mofo namelomako anareo taty an'efitra raha namoaka anareo avy any amin'ny tany Ejipta aho.

33 Ary hoy Moizy tamin'i Aarona: Makà kapoaka iray, asio mana iray gomora, ka apetraho eo anatrehan'ny Tompo hotehirizina ho an'ny taranakareo. 34 Dia napetrak'i Aarona teo anatrehan'ny Vavolombelona izany, mba hotehirizina, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy. 35 Efa-polo taona no nihinanan'ny zanak'Israely ny mana, dia mandra-pahatongany amin'ny tany misy mponina: nihinana mana ihany izy ireo, mandra-pahatongany tamin'ny sisin-tanin'i Kanaana.

36 Ny gomora dia ampahafolon'ny efah.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0903