Eksaody

Toko faha-17

1 Niala tao an'efitra Sina ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra, araka ny dia nandidian'ny Tompo azy, dia nitoby tao Rafidima, ka tsy nahita rano hosotroina tao ny vahoaka.

2 Ka nila kisa tamin'i Moizy ny vahoaka, nanao hoe: Omeo rano izahay, hosotroinay. Fa hoy Moizy namaly azy ireo: Nahoana no dia mila kisa amiko hianareo? Nahoana no dia maka fanahy an'ny Tompo hianareo? 3 Teo ihany anefa ny vahoaka main'ny hetaheta, ka nimonomonona tamin'i Moizy nanao hoe: Ahoana no nampiakaranao anay hiala tany Ejipta, hahafatin'ny hetaheta anay sy ny zanakay mbamin'ny bibinay? 4 Dia nitaraina tamin'ny Tompo Moizy nanao hoe: Inona no hataoko ho an'ity vahoaka ity, fa kely foana sisa tsy hitorahany vato ahy? 5 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Mialohà ny vahoaka ka ento hiaraka aminao ny loholon'Israely, ataovy an-tànanao koa ny tehinao nikapohanao ny ony, dia mandehana. 6 Fa indro aho hitsangana eo anoloanao ao amin'ilay vatolampy izay any Horeba; hikapoka ny vatolampy hianao, dia hivoaka rano ary hisotro ny vahoaka. Nataon'i Moizy teo anatrehan'ny loholon'Israely izany, 7 ary nomeny anarana hoe: Masah sy Meribah io fitoerana io, fa nila kisa ny zanak'Israely, sy naka fanahy an'ny Tompo nanao hoe: Eto afovoantsika ve Iaveh sa tsia? 8 Amaleka nandroso hanafika an'Israely tao Rafidima, ka hoy Moizy tamin'i Josoe:

9 Mifantena lehilahy hianao dia handeha hiady amin'i Amaleka; izaho kosa rahampitso hijoro eo an-tampon'ny havoana, mitana ny tehin'Andriamanitra ao an-tànako. 10 Dia nataon'i Josoe izay nandidian'i Moizy azy, dia niady amin'i Amaleka izy; fa Moizy sy Aarona ary Hora kosa niakatra tany an-tampon'ny havoana. 11 Raha nasandratr'i Moizy ny tànany dia Israely no nahery; fa raha nitambotsotra kosa ny tànany, Amaleka no nahomby. 12 Nony efa vizana ny tànan'i Moizy, naka vato izy ireo, nataony teo ambaniny, dia nipetrahany, ary Aarona sy Hora kosa nanohana ny tànany avy eo ankilany avy, ka tsy niketraka intsony ny tànany mandra-pilentiky ny masoandro. 13 Dia resin'i Josoe tamin'ny lelan-tsabatra Amaleka sy ny olony. 14 Ka hoy Iaveh tamin'i Moizy: Soraty izany ho fahatsiarovana amin'ny boky; ary ambarao amin'i Josoa fa hofoanako eo ambanin'ny lanitra ny fahatsiarovana an'i Amaleka.

15 Dia nanorina otely Moizy, ka nomeny anarana hoe: Iaveh-Nesi. 16 Ka hoy izy: Efa nanangan-tànan-kamely ny seza fiandrianan'ny Tompo izy ireo, koa Iaveh kosa hiady amin'i Amaleka amin'ny taona mifandimby hatrany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0463