Eksaody

Toko faha-18

1 Ren'i Jetrao, mpisorona ao Madiana, rafozan'i Moizy, ny soa rehetra nataon'Andriamanitra tamin'i Moizy sy Israely vahoakany, ny namoahan'ny Tompo an'Israely tany Ejipta.

2 Nentin'i Jetrao rafozan'i Moizy, Seforà, vadin'i Moizy, izay efa nampodiny, 3 mbamin'ny zanak'i Seforà roa lahy; ny iray natao hoe: Gersama; fa hoy Moizy: vahiny aty an-tany hafa aho, 4 ary ny iray natao hoe: Eliezera, fa hoy izy: Novonjen'ny Andriamanitry ny raiko aho, fa nafahany tamin'ny sabatr'i Faraona. 5 Jetrao rafozan'i Moizy niaraka tamin'ny zanak'i Moizy sy ny vadiny, dia tonga nanatona azy tany an'efitra nitobiany, tany an-tendrombohitr'Andriamanitra; 6 ka nampilaza tamin'i Moizy hoe: Tonga aty aminao aho, izaho Jetrao rafozanao mbamin'ny vadiano sy ny zanany roalahy miaraka aminy. 7 Dia nivoaka hitsena ny rafozany Moizy; ka niankohoka sy nanoroka azy; ary rahefa nifanontany ny toe-pahasalamany avy izy aloha dia niditra tao an-dain'i Moizy.

8 Notantarain'i Moizy tamin'ny rafozany avokoa ny nataon'ny Tompo tamin'i Faraona sy ny Ejipsiana, noho ny amin'Israely; ny fahoriana rehetra nanjò azy teny an-dàlana, ary ny namonjen'ny Tompo azy. 9 Ka faly Jetrao noho ny soa rehetra nataon'ny Tompo tamin'Israely sy ny nanafahany azy tamin'ny tanan'ny Ejipsiana. 10 Ary hoy Jetrao: Isaorana anie Iaveh izay nanafaka anareo tamin'ny tànan'ny Ejipsiana. 11 Fantatro ankehitriny fa lehibe noho ny andriamanitra rehetra Iaveh, fa nampiharihary ny halehibeny izy, raha nampahory an'Israely ny Ejipsiana. 12 Dia nanolotra sorona dorana sy fanatitra tamin'Andriamanitra Jetrao, rafozan'i Moizy. Ary Aarona mbamin'ny loholon'Israely rehetra dia tonga niara-nisakafo tamin'ny rafozan'i Moizy avokoa teo anatrehan'Andriamanitra. 13 Nony ampitso nipetraka hitsara ny vahoaka Moizy, ka nitsangana teo anatrehany, hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva, ny vahoaka.

14 Nony nahita izay rehetra nataon'i Moizy tamin'ny vahoaka ity rafozany, dia nanao hoe: Inona ity ataonao amin'ireo olona ireo? Nahoana no hianao irery no mipetraka hitsara, ary ny olona rehetra mitsangana eo anatrehanao hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva? 15 Ary hoy Moizy tamin'ny rafozany: Ka inona moa fa manatona ahy ny olona hanontany hevitra amin'Andriamanitra. 16 Raha manana ady izy ireo, dia mankaty amiko ka mitsara azy aho sy mampahalala ny didy aman-dalàn'Andriamanitra. 17 Fa hoy ny rafozan'i Moizy taminy: Tsy tsara izao ataonao izao. 18 Handreraka anao sy ny vahoaka izay eto aminao mihitsy izao, satria asa tsy eran'ny ainao izao, ka tsy vitanao samy irery. 19 Koa henoy ny teniko: fa indro homeko hevitra hianao ary Andriamanitra anie homba anao: Aoka hianao ho solon-tenan'ny vahoaka eo amin'Andriamanitra, hanatitra ny adiny eo anatrehan'Andriamanitra. 20 Ampahafantaro azy ireo ny fitsipika aman-dalàna, atoroy azy ny làlana tsy maintsy ombany, sy izay tsy maintsy ataony. 21 Ary ankehitriny dia ifidiano lehilahy mahay sy matahotra an'Andriamanitra, ao amin'ny vahoaka rehetra, lehilahy marina sy tsy tia kolikoly, ka ireny no atsangano ho tompon'arivo sy tompon-jato, ary mpifehy dimam-polo amam-pifehy folo, hitondra azy ireo. 22 Izy no hitsara ny vahoaka mandrakariva: ny raharaha lehibe hoentiny eo anatrehanao; ny raharaha madinika kosa hotapahin'izy ireo ihany. Hamaivano ny raharaha entinao, ary aoka izy ireo hiara-mitondra aminao. 23 Raha manao izany hianao ka hatoron'Andriamanitra anao koa izay didiny, dia hahazaka izany hianao ary ny vahoaka koa ho tonga soa aman-tsara amin'izay halehany. 24 Neken'i Moizy ny tenin-drafozany ary nataony avokoa izay nolazainy;

25 fa nifidy izay lehilahy mahay tamin'Israely rehetra izy, ka notendreny teo amin'ny vahoaka ireo ho tompon'arivo sy tompon-jato, ary mpifehy dimam-polo amam-pifehy folo. 26 Dia ireo no nitsara ny vahoaka mandrakariva; ny raharaha lehibe nentiny teo anatrehan'i Moizy; ny raharaha madinika notapahan'izy ireo ihany. 27 Nanao veloma ny rafozany Moizy, dia lasa nody any amin'ny taniny Jetrao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.053