Eksaody

Toko faha-19

1 Tamin'ny volana fahatelo aorian'ny nivoahany tany Ejipta, tamin'izany andro izany, no nahatongavan'ny zanak'Israely tany an'efitr'i Sinaia.

2 Efa niala tany Rafidima izy; ary nony tonga tamin'ny efitr'i Sinaia, dia nitoby tao an'efitra; tandrifin'ny tendrombohitra no nitobian'Israely. 3 Niakatra ho ao amin'Andriamanitra Moizy, dia nantsoin'ny Tompo tao an-tampon-tendrombohitra izy, ka nilazany hoe: Izao no holazainao amin'ny taranak'i Jakoba sy hambaranao amin'ny zanak'Israely:

4 Hitanareo ny nataoko tamin'i Ejipta, sy ny nitondrako anareo tamin'ny ela-boromahery, ary ny nitarihako anareo ho aty amiko. 5 Koa ankehitriny, raha mihaino ny feoko hianareo, sy mitandrina ny fanekeko dia ho vahoakako manokana eo amin'ny firenena rehetra, satria ahy ihany ny tany rehetra, 6 fa hianareo no ho fanjakam-pisorona sy firenena masina ho ahy. Izany no teny holazainao amin'ny zanak'Israely. 7 Tonga Moizy dia niantso ny loholon'ny vahoaka; noborahiny teo anatrehan'izy ireo avokoa ireo teny ireo, araka ny nandidian'ny Tompo azy.

8 Ka indray namaly ny vahoaka rehetra nanao hoe: Hataonay avokoa izay rehetra voalazan'ny Tompo. Dia lasa Moizy nitondra ny tenin'ny vahoaka tany amin'ny Tompo, 9 ka hoy Iaveh tamin'i Moizy: Indro fa hankeo aminao ao anatin'ny rahona matevina aho, mba ho ren'ny olona rahefa miteny aminao aho, dia hinoany anao mandrakariva koa. Ary nolazain'i Moizy tamin'ny Tompo ny tenin'ny vahoaka. 10 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Mandehana mankany amin'ny vahoaka, ka hamasino izy anio sy ampitso, ary asaovy sasàny ny fitafiany.

11 Aoka ho voaomana amin'ny andro fahatelo izy, fa hidina eo an-tampon'ny tendrombohitra Sinaia, eo imason'ny vahoaka rehetra Iaveh, amin'ny andro fahatelo. 12 Asio faritra manodidina ka lazao hoe: Tandremo mba tsy hiakatra ny tendrombohitra hianareo, na hikasika ny sisiny akory, fa hatao maty izay mikasika ny tendrombohitra, na iza na iza. 13 Tsy hokasihin-tànana io, fa hotoraham-bato na hotrobarana ny zana-tsipika: na biby na olona izy tsy azo velomina. Rahefa maneno ny trompetra dia hiakatra ho eo an-tendrombohitra izy ireo. 14 Dia nidina avy any an-tendrombohitra Moizy nankeo amin'ny vahoaka ka nanamasina azy, ary nanasa ny fitafiany izy ireo. 15 Nony vita izany dia hoy izy tamin'ny vahoaka: Aoka ho voaomana ao anatin'ny hateloana hianareo; aza mikasi-behivavy. 16 Nony marainan'ny andro fahatelo, dia nisy kotroka aman-tsela-baratra ary rahona matevina teo an-tendrombohitra, ary nisy feon'ny anjomara mafy nitatatata, ka tera-kovitra ny vahoaka rehetra tao an-toby.

17 Nentin'i Moizy nivoaka ny toby ny vahoaka, handeha hihaona amin'Andriamanitra; dia teo am-pototry ny tendrombohitra izy ireo no nijanona. 18 Nivoa-tsetroka ny tendrombohitra Sinaia manontolo, satria tanaty afo no nidinan'ny Tompo nankeo amboniny, ka nipololotra toy ny avy amin'ny lafaoro lehibe ny setroka, ary nihovitrovitra iray ihany ny tendrombohitra manontolo. 19 Nihamafy nihamafy ihany ny feon'anjomara. Ary niteny Moizy, ka namaly feo azy Andriamanitra. 20 Nidina Iaveh nankeo an-tendrombohitra Sinaia, dia teo an-tampon'ny tendrombohitra izany; ary Iaveh niantso an'i Moizy ho ao an-tampon'ny tendrombohitra, dia niakatra Moizy. 21 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Midìna ka rarao mafy ny vahoaka tsy hihoatra ny faritra hankaty amin'ny Tompo mba hijery, fandrao hahafatesana maro izy.

22 Na ny mpisorona manatona an'ny Tompo aza, aoka hanamasin-tena fandrao vonoin'ny Tompo. 23 Dia hoy Moizy tamin Íaveh: Tsy hahazo miakatra ny tendrombohitra Sinaia ny vahoaka, satria efa voararanao mafy izahay nilazanao hoe: Asio faritra manodidina ny tendrombohitra, ka hamasino izy. 24 Ary hoy Iaveh taminy: Mandehana midina aloha, izay vao miakatra indray hianao miaraka amin'i Aarona: fa ny mpisorona sy ny vahoaka, aoka tsy hihoatra ny faritra hiakatra hankaty amin'ny Tompo fandrao vonoiny. 25 Dia nidina nankeo amin'ny vahoaka Moizy, nilaza izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1226