Eksaody

Toko faha-21

1 Izao no lalàna homenao azy ireo:

2 Rahefa hividy mpanompo hebrio hianao, enin-taona no hanompoany, fa amin'ny taona fahafito dia hiala izy ka afaka tsy mando na inona na inona. 3 Raha izy irery no niditra dia izy irery no hiala; raha niaraka tamim-bady izy dia hiara-miala aminy koa ny vadiny. 4 Raha ny tompony anefa no nanome vady azy, ka niteraka lahy amana vavy taminy izy dia an'ny tompony ravehivavy sy ny zanany, fa izy kosa dia honjohonjon'izy irery no hiala. 5 Ary raha ny mpanompo kosa no manao hoe: Tsy mahafoy ny tompoko sy ny vady aman-janako aho, ka tsy te-ho afaka, 6 dia ho entin'ny tompony ho eo anatrehan'Andriamanitra izy ka hasainy miolotra ny varavarana na ny tolam-baravarana, ary hotevehiny amin'ny haolo ny sofiny, dia ho mpanompony hanompo azy mandrakizay izy. 7 Raha misy lehilahy mivaro-janakavavy ho mpanompon'olona dia tsy mba ho toy ny an'ny andevolahy ny fahafahany, 8 fa raha ilay tompony izay nihevitra azy ho an'ny tenany no tsy tia azy dia havelany havotana izy; fa tsy ho azony hamidy amin'olon-kafa nony efa nivadihany. 9 Raha ny zanany lahy no kasainy homena azy dia hoentiny araka izay tsy maintsy ho fitondra ny zanakavavy izy. 10 Ary raha mbola maka vehivavy hafa izy dia tsy misy azony ahena ny fanome an-dravehivavy voalohany, na ny momba ny sakafo, na ny momba ny fitafiana, na ny momba ny hanina. 11 Ary raha tsy tanterahiny aminy ireo zavatra telo ireo dia mahazo miala fotsiny izy, fa tsy handoa vola akory. 12 Izay mamono mahafaty olona dia tsy maintsy atao maty.

13 Nefa raha tsy nanao otrika taminy izy, fa tolotr'Andriamanitra no nahavoazan'ny tànany azy dia hoferako aminao izay toerana hahazoany ialofana. 14 Fa raha misy kosa lehilahy nanao an-kasomparana amin'ny namany hamonoany azy an-kafetsena, na mby eo amin'ny oteliko aza, tsoahy eo ka vonoy ho faty. 15 Izay mikapoka ny rainy na ny reniny tsy maintsy atao maty. 16 Izay mangalatra olona, na namidiny izy io, na tratra eo an-tànany, dia tsy maintsy atao maty. 17 Izay hanozona ny rainy na ny reniny dia hoheloin-ko faty. 18 Raha misy olona mifanditra ary asian'ny iray vato na totohondry ny namany, nefa tsy nahafaty azy, fa nampihonaka am-pandriana azy izany, dia ho afaka ilay namono,

19 raha manaritra ny anankiray ka afa-mitsangantsangana any ivelany miankina amin'ny tehina; nefa kosa tsy maintsy onerany ny andro tsy niasany ary hiantohany ny fitsaboana azy. 20 Izay mikapoka hazo ny andevolahiny na ny andevovaviny, ka mahafaty azy eo no ho eo, dia hovaliana tokoa.

21 Fa raha mbola velona indray andro na indroa andro ihany izy, dia tsy hovaliana izy, satria an'ny tompony ihany io. 22 Raha misy olona miady ary mandona vehivavy bevohoka; ka teraka azon'izany ravehivavy nefa tsy maninon-tsy maninona izy, dia izay onitra ilain'ny vadiny sy didian'ny mpitsara haloa ihany no ho sazin'ilay diso.

23 Fa raha misy loza mihatra kosa dia hasainao hoefain'aina ny aina, 24 efai-maso ny maso, efai-nify ny nify, efain-tànana ny tànana, efain-tongotra ny tongotra, 25 efain-dotra ny voadotra, efain-dratra ny ratra, efai-mangana ny mangana. 26 Raha misy olona mamely ny mason'ny ankizilahiny na ny ankizivaviny, ka maha-jamba ny masony, dia halefany ho afaka izy ho onitry ny masony.

27 Ary raha mahafa-nify iray amin'ny ankizilahiny na ny ankizivaviny izy, dia handefa azy ho afaka ho onitry ny nifiny. 28 Raha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka mahafaty azy, dia ny omby no hotoraham-bato sy tsy hohanin-kena, fa ny tompony ho afaka.

29 Raha omby efa nanoto hatramin'ny ela anefa sady efa nilazana izany ny tompony, nefa tsy mitandrina azy, dia hotoraham-bato ny omby, raha mahafaty lehilahy na vehivavy, ary atao maty koa ny tompony. 30 Raha vidin'aina no asaina hataon'ny tompon'omby dia haloany izay didiana haloany. 31 Raha zazalahy na zazavavy no totoin'ny omby, dia io lalàna io ihany koa no hampiasaina. 32 Fa raha andevolahy na andevovavy no totoin'ny omby dia volafotsy telo-polo sikla no haloa ho an'ny tompon'andevo, ary ny omby hotoraham-bato. 33 Raha misy olona manokatra lava-drano, na olona vao nandavaka lava-drano ka tsy mandrakotra azy, ka misy omby na ampondra latsaka ao,

34 dia hanonitra ny tompon-davaka, haloany volafotsy izay vidin'ny biby, fa ny biby maty no ho azy. 35 Raha misy ombin'olona manoto ombin'olon-kafa ka mahafaty azy, dia hamidin'izy ireo ny omby velona, ka ny vidiny hozarainy, ny omby maty koa hozarainy.

36 Raha fantatra anefa fa efa mpanoto hatramin'ny ela ilay omby fa tsy nitandrina azy ihany ny tompony, dia hanonitra izy, hefainy omby ny omby, fa ny omby maty no ho azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1443